Talatamaty-Fianarantsoa: Kamiao tapaka hisatra namono olona sy namotika fiara maro

  • vendredi, 04 octobre 2019 22:20
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nandriaka ny ra tamin’ny fidinana amin’ny lalam-pirenena faha-7, teo Talatamaty-Fianarantsoa ny tolakandro teo. Kamiao lehibe iray, mitondra entana, no nitsotsotsotso tsy tana nianavaratra, nifaoka izay rehetra teny alohany. Tapaka hisatra ilay kamiao ka izay no voalaza fa nitarika ny loza.

Vokany, olona telo no maty teo noho eo voahosin’ilay kamiao, maro ireo naratra nentina namonjy hopitaly ao Tambohobe. Moto sy fiara manodidina ny folo, ankoatra ny trano no nisy fahasimbana tamin’ity loza ity.

Nitsambikina avy ao anaty fiara ny mpamilin’ilay kamiao fototry ny loza, ary nanjavona teo amin’ny toerana nisehoan’ny loza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.