OTIV Boeny: Lasan’ny Paositra Malagasy ary niova sata ho « Société Anonyme »

  • lundi, 28 octobre 2019 22:40
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary Gasypatriote

Tsy ho mpampindram-bola madinika, fa hiova sata ho orinasa tsy anavahana anarana « Société Anonyme » ny OTIV Boeny aorian’izao nandraisan’ny Paositra Malagasy azy izao.

Nisedra olana ny OTIV Boeny nanomboka ny taona 2016, noho ny fanodinkodinam-bolan’ny mpikambana aman’aliny tao. Raha ny fanazavan’ny Minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny kajy mirindra, Ramarolahy Christian, dia ny hampitomboana ny renivola ho 2,5 miliara Ariary, mba hanohanana ireo mpandraharaha madinika amin’iny faritra Boeny iny no votoatin’izao nandraisan’ny Paositra Malagasy ny OTIV Boeny izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.