Governemanta: Nesorina ny minisitry ny angovo, rano ary akoran'afo, Andriamanga Vonjy

  • mercredi, 30 octobre 2019 22:50
  • Zakaria
  • Sary nindramina

« Araky ny didim-panjakana noraisin’ny Filoham-pirenena avy amin’ny tolo-kevitry ny Praiminisitra dia nesorina tsy ho eo amin’ny toeran’ny Minisitra misahana ny angovo, ny rano ary ny akoran'afo intsony Atoa. Vonjy Andriamanga, ka ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, Ramarolahy Christian no misolo vonjy maika ny toerany ». io no tati-baovao nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra mikasika ny fanesorana an’ity minisitra ity.

Minisitra nivangogoan’ny olana i Andriamanga Vonjy tao anatin’izay sivy volana naha tao anatin’ny governemanta Ntsay Christian azy izay. Fako (SAMVA) tsy voataona mankeny Andralanitra, jiro mipendrapendrana sy tapaka lava, rano tsy isitrahan’ny ankamaroan’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina, farany teo ny fikorontanan’ny fitsinjarana solika.

Misy ihany ireo vava asa natombok’i Andriamanga Vonjy, na amin’ny famahana olana ny famatsiana rano toy etsy Amoron’Akona, eny Itaosy, ao Antsirabe, Ambatondrazaka… fa tsy mbola hita mivaingana ny vokatra, hany ka nesorina ihany ny tenany fa mandratsy laza ny fitondran’i Andry Rajoelina.

Andriamanga Vonjy no minisitra sahy nanasazy mpandraharaha vazaha, izay tompon’ireo kaompanian-tsolika lehibe miasa eto Madagasikara. Vao ny alatsinainy 28 oktobra 2019 ny nampiharany sazy ara-bola ny orinasa Logistique Pétrolière, Total ary Vivo (Shell) izay voatondro ho fototr’ireny fikorontanan’ny famatsiana solika nampisavorovoro teto Antananarivo Renivohitra ireny. Fanapahan-kevitra izay mety novidiany lafo, hoy ny mpamakafaka politika.

Andriamanga Vonjy no minisitra faharoa navoaka tao anaty lamasinin’ny IEM (Initiative Emergence Madagascar) tao anatin’ny telo volana, taorian’i Rejo Fihenena Félicité teo anivon’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana aran-tsiansa. Ity farany izay nesorina tamin’ny jolay 2019.

Andriamanga Vonjy no olona ambony fahatelo nipitika tao amin’ny ministeran’ny angovo sy rano ary ny akoran’afo tato anatin’ny roa volana. Teo i Jaomiary Olivier, nesorina tsy ho Tale jeneralin’ny Jirama tamin’ny aogositra 2019. Nametra-pialana omaly 29 oktobra 2019 ny Tale jeneralin’ny Ofisy malagasy ny akoran’afo (OMH) dia izao nanaraka izao i Andriamanga Vonjy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.