Rugby: Tompondaka erantany ny Springboks Afrikanina tatsimo

  • samedi, 02 novembre 2019 18:42
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Voahosotra ho tompondaka manerantany amin’ny rugby ny Springboks Afrikanina tatsimo rehefa nandresy ny XV de la rose Anglisy tamin’ny isa 32 noho 12 nandritra ny lalao famaranana natao androany tao amin’ny Nissan Stadium, Yokohama.

Mitovy izao ny vokatra ho an’i Afrika Atsimo sy Nouvelle-Zélande samy in-telo voahosotra ho tompondaka manerantany. 1995 sy 2007 dia izao 2019 izao ho an’i Afrika Atsimo, raha 1987 sy 2011 ary 2015 ho an’i Nouvelle-Zélande.

Ny All Blacks avy any Nouvelle-Zélande no eo amin’ny laharana fahatelo, nahazo medaly alimo, rehefa nandresy tamin’ny isa 40 noho 17 an-dry zareo Gallois avy any Pays de Galles tamin’ny lalao fiadian-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.