Fisaorana

  • lundi, 25 novembre 2019 22:52
  • Super User

Nodimandry ny talata 19 novambra 2019 i Raharimanana Roger Venance, teo amin’ny faha 80 taonany.

Teraka tao Mandritsara ny 31 aogositra 1939 izy, zanaky Ramanana Albert mpandika tenin’ny Governora, sy Rasoa Marguerite.

Ny fianakaviana Raharimanana, ny vady aman-janany, ireo zafikeliny sy zafiafiny, ny fianakaviana rehetra ao Mandritsara, Analalava, Ambilobe, Ambanja, Sainte Marie, Nosy be, Ambovombe, Tolagnaro, Mampikony, Antsiranana, Port-Berger, Antananarivo, Ampahadralambo, Ambohidratrimo Anala, Mahajanga, Toamasina;

Ireo fianakaviana monina any ampitan-dranomasina, France, Etats-Unis, Seychelles, Comores, Mayotte, La Réunion, Italie, Espagne;

Dia misaotra an’Andriamanitra nandahatra sy nitsinjo ny fiainan’ny fianakaviana rehetra, maneho ny fisaorana ho an’ny rehetra, tamin’ny nanehoana marim-pitiavana, fiaraha-miombona, fampiononana, fanantenana, fiaraha-mizaka ny mafy, na tamin’ny alalan’ireo hafatra maro, na famangiana, na fiaraha-mizaka ny vesatry ny fikarakarana rehetra.

Misaotra ny:
- Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina, tamin’ny nanolorany mari-boninahitra Grand Croix de 2ème classe, izay anisany farany ambony omena ny sivily eto amin’ny firenena;
- Ramatoa Madeleine Razafindrahanta Ramaholimihaso, Grand Chancelier ;
- Ny Prefet Mahajanga;
- Ny Chef district Mahajanga II izay nametraka ny mari-boninahitra.

- Ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa;
- Ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean-Max Rakotomamonjy;
- Ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, Eric Rakotoarisoa;
- Ireo minisitra sy minisitra teo aloha nampahery ny fianakaviana, ireo nandefa solo-tena sy niatrika mivantana ny fanitrihina ny razana;
- Ny Chef de région Boeny ary ireo Chef de Région teo aloha ;
- Ny Procureur Général de Mahajanga ;
- Ireo Governoran’ny Mahajanga teo aloha ;
- Ireo préfet teo aloha ;
- Ireo Sojabe ;
- Ny Fokontany sy ny Fokonolona Amborovy sy Grand Pavois ;

- Ireo Dokotera, mpitsabo, mpanampy sy ireo mpiara-miasa rehetra aminy, hatramin’ireo mpikarakara ao amin’ny Hopitaly Manaram-penitra Mahajanga;
- Ireo mpitsabo sy mpiara-miasa aminy tany amin’ny hopital de Grasse France;

- Ny Diosezin’ny Mahajanga;
- Ny Paroisse Sainte Thérèse d’Amborovy Mahajanga;
- Ireo pretra, frera, Relijiozy lahy sy vavy eto Mahajanga;
- Ny Zanaka vavin’ny Fiangonana eto Mahajanga (ZAFIMA);
- Ny sœur Carmel Amborovy Mahajanga;
- Ny Didec (Direction diocésaine de l’éducation Catholique) de Mahajanga ;

- Ny Archevèque d’Antananarivo Mgr Odon Razanakolona;
- Ny Paroisse Ambohipo Antananarivo;
- Ny Lycée Saint Pierre Canisius Ambohipo ;
- Ny Cenacle Ambohipo sy Soavimbahoaka Antananarivo;
- Ny Fokontany Ambohipo;
- Ny Faritra Sofia, Mandritsara, Mampikony, Port Berger;

- Ny Consul Général de France sy ireo mpiara-miasa aminy ;
- Ny Consul honoraire de Mahajnaga sy ireo mpiara-miasa aminy ;
- Ny Collège français Mahajanga ;
- Ny Université d’Antananarivo ;
- Ny Grand séminaire d’Antananarivo ;
- Ny Académie militaire de Fianarantsoa ;
-
- Ny fianakavian’i Nicolas Razafindrakoto ;
- Ireo mpandraharaha eto Mahajanga, Antsiranana ary Antalaha ;
- Ny fikambanam-behivavy Tsimihety ;
- Ny ADFE (Association des Français à l’étranger) ;
- Ny Collectif Tany ;
- Ny Amnesty International ;
- Ny Association survie-France
- Ny Association Mémoires de Madagascar
- Ny Ligue de Droits de l’homme-France ;
- Ireo mpanampy rehetra, mpahandro, mpatsaka, mpanadio, mpanao zaridaina, mpiandry tanàna, mpitondra fiara sy ny vady aman-janany ;
- Ireo mpanamboatra ny fasana
- Ny BMH ;
- Ny Haino aman-jery eto Mahajanga;
- Ny Radio television Nakay RTN eto Mahajanga;
- Ny TVH Boina Transporteur;
- Ireo Tanora eto amin’ny fokontany Amborovy sy ireo mpiara-monina;
- Ireo mpiara-miasa sy mpanaraka ny Gasypatriote sy ny facebook.
Isaorana sy ankasitrahina isika rehetra, ary ialana tsiny ho an’izay tsy voatonona manokana, na ireo tsy nahare.
Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hanome fahasalamana sy hitsimbina antsika rehetra.

Mahajanga, 25 novambra 2019

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.