« Depiote Leva »: Miombom-peo amin’ireo depiote mangataka ny hampiatoana ny fitanana am-ponja azy ny vahoakan’i Mahabo

  • dimanche, 08 décembre 2019 19:37
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Solombavambahoaka voafidy ara-dalàna i Raveloson Ludovic Adrien na Leva. Izahay vahoaka no nifidy azy tamin’ny 27 mey 2019 ary lany tamin’ny salanisam-bato 32,02% izy, noho no fahatokisanay azy, hoy i Marson sendra ny Gasypatriote.

Gagagaga ihany anefa izahay, hoy i Marson, fa hatramin’ny 16 jolay 2019 nanaovan’ireo solombavambahoaka fivoriana voalohany, nananganana ny birao maharitra ka hatramin’izao, sady tsy tazanay ao Tsimbazaza ny depiotenay no tsy tonga mitsidika aty Mahabo fa hoe : tazomina am-ponja ao Morondava. Dia mametra-panontaniana izahay aty Mahabo hoe : fa misy inona loatra ?

Antony politika ? Depiotenay i Leva? ary izy no lanieran’ny vahoakan’i Mahabo hitondra ny hetahetanay momba ny fampandrosoana an’ity Distrikanay ity, hoy i Marson. Aza adinoina, hoy i Zafy nanohy fa nohamafisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana tamin’ny didy laharana 45-HCC/AR navoakany tamin’ny 02 jolay 2019, izay didy tsy azo ivalozana, ny safidinay taty Mahabo ny maha Solombavambahoaka ara-dalàna an’i Leva.

Nitarika anay hanohana ary nanao izay hampandany filoha an'i Andry Rajoelina ihany koa i Leva, hoy i Zafy, indrindra tamin’ny fihodinana faharoa ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ireny taona 2018 ireny, ka manantena sy mino izahay aty Mahabo fa tsy ho diso anjara amin’izany fampandrosoana amin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny filoha izany.

Ary vao farany teo, ireo solombavambahoaka namany mihitsy no naka fanapahan-kevitra rehefa nandinika ity raharaha ity ka nandefa taratasy any amin’ny governemanta mangataka mba hampitsaharana ny fitazonana am-ponja an’ny depiote isany Raveloson Ludovic Adrien, tsy miankina voafidy teto Mahabo sy Rasolomampionona Hasimpirenena, IRD voafidy tao Fandriana.

Heloka bevava ? Nolazaina fa voasaringotra tamin’ny fahafatesana olona vokatry ny fitsaram-bahoaka tamina halatr’omby nitranga tamin’ny 2016 i Leva ; nefa raha ny fantatray hoy i Marson dia efa nisintona ny fitoriana azy ny mpitory satria tsy voaporofo ny fandraisany anjara tamin’izany vono olona izany, izay asan-dahalo ka nisiana fitsaram-bahoaka.

Mpanimba ala ? Mpandraharaha mpanangombokatra efa hatry ny ela, mpividy vokatry ny tantsaha toy ny tsaramaso sy voanjo indrindra fa ny tsako no ahalalanay ny fianakaviana Leva. Tsy misy resaka fanimbana ala ataony. Ary tsy izy irery fa misy hafa koa manao io fandraharahana fanangonam-bokatra io, eny hatramina mpiasam-panjakana ambony ato amin’ny Faritra Menabe.

Eo no mampiahiahy anay, hoy izy roalahy ireto, sao mba afenina ao ambadiky ny tsy fahazakana fifaninana ara-barotra ity nampidirana am-ponja an’i Leva ity, mba hahafahan’ny sasany manjaka tokana ? Raha sanatria ka izay tokoa no antony dia famotehana ny Faritra Menabe izany, mifanohitra amin’ny fahalalahana ara-toekarena, koa mamerina ny antso izahay aty Mahabo, ary manamafy ny fangatahan’ireo depiote namany, hampitsaharana ny fitanana am-ponja an’ny depiotenay Raveloson Ludovic Adrien, hifarana rahateo ity taona, fotoanan’ny fifamelana hisian’ny fitoniana sy fifanomezan-tanana ho amin’ny fampandrosoana, hiadanan’ny vahoaka.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.