Paris: fihaonana teo amin'i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina

  • mardi, 10 décembre 2019 20:32
  • Zakaria

Nihaona fanindroany indray tany Paris ireo filoham-pirenena malagasy teo aloha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina.

Nisy ny fanambarana iombonana tamin'ity fihaonana androany talata 10 desambra ity.

Nanamelohan'izy ireo ny fandikan-dalàna sy ny fanitsakitsahana ny zo fototry ny vahoaka Malagasy.
Mametraka ny fitokisana amin'ny mpitsara kosa izy ireo amin'ny fampanjakana ny fahamarinana amin'ny fitoriana efa napetraka momba ny raharaham-pifidianana, toy ny fikitihana indray ny lisitry ny mpifidy.

Ary nanao antso avo amin'ny Malagasy rehetra hiray hina amin'ny fikatsahana ny tombontsoan'ny firenena, ary manamafy fa ny fampihavanam-pirenena hatrany no ahafahana miroso amin'ny fampandrosoana ny firenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.