Ankatso – Ambohipo: Lasa sahan’ady androany

  • mardi, 17 décembre 2019 22:47
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nitohy ary nahery vaika ny hetsiky ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo androany, andro faharoa amin’ny « Herinandro maty ». Teo Ankatso, tohin’ny fanoherana ny tenimita navoakan’ny ministera mampahatsiahy ny diplaoma LMD fa ny « Licence » dia fiofanana telo taona aorian’ny bakalorea, miampy fiofanana ary ny fahazoana ny diplaoma dia « contrôle continu » na « examen final » na ny fitambaran’ireo roa ireo fa tsy misy « mémoire ».

Efa niatrana tety ivelan’ny faritry ny oniversite ireo mpitandro ny filaminana sao misy fihoaram-pefy. Nisy andiana tanora, mpianatra ny sasany, nandoro kodiarana teo amin’ny arabe fiantsonan’ny taxi-be. Niitatra tamin’ny tora-bato izany. Nanidy trano ireo mpivarotra teny manodidina. Nanova vonjimaika ny fiantsonany ireo taxi-be.

Niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana nanaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso. Raikitra ny fifanenjehana. Nitohy hatrany amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra ny fanenjehana. Nisy ny voasambotra.

Teny Ambohipo indray dia nidina an-dalambe ihany koa ireo mpianatra mipetraka amin’ny « Cité » eo Ankatso, Ambohipo sy Ambolonkandrina naneho ny fanoheran’izy ireo ny fanadiovana ataon’ny oniversite, anisany ny fialana amin’ny tranon’ny mpianatra rehefa fotoam-pialan-tsasatra, hifehezana ny fandaniana amin’ny rano sy jiro ary koa ny fandriampahalemana mba ho ny tena mpianatra no mitoetra amin’ny « Cité ».

Niditra an-tsehatra nanaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana rehefa niteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana teny Ambohipo sy Ambolokandrina izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.