Hery Rajaonarimampianina: Manome fotoana amin’ity taona 2020 ity

  • jeudi, 02 janvier 2020 11:39
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nampiasa tambazotran-tserasera ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina niarahabany ny Malagasy noho ny taona vaovao 2020, sy nanaovany jeritodika fohy ny taona 2019.

Tamin’izany no nampiononany sy nampaherezany ireo rehetra nianjadian’ny loza voajanahary, namoy ainy, very fananana, naratra ary traboina sy tsy manan-kialofana.

Mampahery ireo niharan’ny herisetra sy ireo ianjadian’ny teritery sy tsy ara-drariny, kely tsy mba mamindro ihany ko izy, ary nampahery manokana ireo tsy manan-kohanina sy sahirana, tsy manana hotafiana ary ireo mahantra.

Fa tao anatin’ilay raki-tsary ihany koa no nanaovan’i Hery Rajaonarimampianina fanambarana ny fanohizana ny fandraisana andraikitra ka nanomezany fotoana amin’ity taona 2020 ity, hiaraha-« handinika ny vahaolana ilaina sy andrasan’ny vahaoka sy ny firenena ».

Aminy, ity taona 2020 ity, dia hitondra fisandratan’ny toe-tsaina sy fahendrena handray andraikitra sy feno fahavononana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.