Mahajanga: Naniry ahitra ho an'ny omby ny kianja anamboarana building

  • lundi, 06 janvier 2020 16:13
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Ora-nikija nisesy ny teto Mahajanga andro vitsivitsy izay, tapitra ny fetr'andro faran'ny taona 2019 tokony ahavitana ny asa trano mora eto Amborovy, fa maisatra dia maisatra ny fandrosoan'ny asa, vitsy ny mpiasa miasa, ny trano tsy voatsangana araka ny tokony ho izy.

Toy izany ihany koa ny EPP manara-penitra eto Amborovy.

Fa ny toerana anaovana ny building kosa dia tsy misy asa miainga mihitsy taorian'ny fandalovan'ny filoham-pirenena teto an-toerana. Ny volan'ny tompon-tany nalaina atao lalana moa dia tsy misy mbola voafaritra ary tsy misy voaloa.

Manontany ihany koa ireo mpandraharaha eto an-toerana, nahoana no tsy nahampahafantarina azy ireo ny tolo-bidy tamin'izao fanamboarana izao, sa ve ny mpanao trano eto an-toerana tsy mahay na lafo vidy noho ny hafa, izay hafarana any lavitra any?

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.