Andry Rajoelina: Herintaona anio ny nandraisany ny fahefana feno maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

  • dimanche, 19 janvier 2020 14:20
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Notanterahina teo amin’ny Kianjan’i Mahamasina ny 19 janoary 2019 ny lanonana ara-pitsarana nandraisan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny fihanianan’i Andry Nirina Rajoelina, ka nandraisany ny fahefana feno maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy nanomezana azy ireo mari-pamantarana hita maso manamarika izany, dia ny samboady sy ny mariboninahi-pirenena ambony indrindra mifanaraka amin’izany.

Nianiana izy tamin’io fa hanaja toy ny anakandriamaso ny Lalampanorenana sy ny lalam-panjakana, hikatsaka ny soa ho an'ny vahoaka Malagasy. Hanokana ny heriny rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon'olombelona.

Nanome voninahitra ny lanonana ireo filoha voafidim-bahoaka telo teo alohany, dia Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Hery Rajaonarimampianina. Nisy ihany koa ireo vahiny manan-kaja samihafa teo Mahamasina tamin’io andro io.

Mitsingerina amin’ity alahady 19 janoary 2020 ny taona voalohany nitondran’i Filoha Andry Rajoelina an’i Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.