« Rallye Mathématiques »: Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny andiany faha-19

  • mercredi, 11 décembre 2019 22:06
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Misokatra amin’ny fomba ofisialy, nanomboka androany 11 desambra 2019, ary hifarana amin’ny 01 febroary 2020, ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana « Rallye Mathématiques ». Eo amin’ny andiany faha-19 ny fifaninanana amin’ity. Eny anivon’ny DRENETP sy ny CISCO no fanaovana izany.

Lasa 9 ireo Faritra mandray anjara amin’ity andiany ity, raha toa ka 6 hatramin’izay. Ireto avy ireo faritra sivy voakasika : Analamanga, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, DIANA, Atsinanana, Boeny, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro ary Taolagnaro.

Miaraha-miasa amin’ny fanatanterakana ity « Rallye Mathématiques » ity ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa sy ny Masoivoho Frantsay, ny avy ao amin’ny Lisea Frantsay ary ny avy amin’ny GEMMA na ny « Groupement des Enseignants de Mathématiques de Madagascar ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.