Clémence Botino: Voahosotra ho « Miss France 2020 »

  • dimanche, 15 décembre 2019 15:14
  • Zakaria
  • Sary nindramina

« Miss Guadeloupe » i Clémence Botino, izy no voahosotra ho « Miss France 2020 » nandritra ny fifaninana natao tao Marseille ny sabotsy 14 desambra.

Clémence Botino no mandimby an’i Vaimalama Chaves « Miss Tahiti » tompon’ny anaram-boninahitra tamin’ny 2019.

22 taona i Clémence Botino, mpianatra amin’ny lalampiofanana « Master Histoire de l'art » ao amin’ny oniversiten’i Sorbonne any Frantsa izy.

Clémence Botino no « Miss France » faha-90 tamin’ny tantaran’ity fifaninanana hatsaran-tarehy amam-bika any Frantsa ity.

(Sary nindramina)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.