Economie

    • samedi, 14 décembre 2019 14:44

    Tahirimbolam-panjakana: Mandray ny toerany ny Tale Jeneraly vaovao, Ranjalahy Ihajambolatiana

    Tontosa ny zoma 13 desambra 2019 ny famindram-pintantanana teo amin’ny Tale Jeneraly ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha, Andriamanga Herivelo sy ny Tale Jeneraly vaovao, Ranjalahy Ihajambolatiana. Nandritra io fotoana io no nankasitrahan'ny Minisitry ny Toe-karena sy Fitantanam-bola Randriamandrato Richard ny Tale Jeneraly teo aloha tamin'ireo asa sy andraikitra nosahaniny izay nahitam-bokatra tokoa. Nirary soa ny Tale Jeneraly vaovao ihany koa izy mba hahavita be amin'izao andraikitra lehibe izay sahaniny izao Inspecteur du Trésor, manam-pahaizana manokana mahakasika ny « Microfinance » i Ranjalahy Ihajambolatiana, Tale Jeneraly vaovao. Talen’ny Kabinetra ny Minisitry ny Toe-karena sy Fitantanam-bola izy talohan’izao fanendrena azy izao.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 13 décembre 2019 08:34

    Antenimierandoholona: Lany nasiam-panitsiana ny Volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2020

    Lany nasiam-panitsiana teto anivon’ny Antenimierandoholona ny alakamisy 11 desambra 2019 nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina ny Volavolan-dalàna laharana faha 05/2019 tamin’ny 30 oktobra 2019 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2019. Nisy ny fanitsiana nataon’ny Antenimierandoholona toy ny: - Fampidinana ho dimy isan’arivo ny tahan’ny vola fandrotsaka (acompte) amin’ny IR na IS mikasika ny raharaha fanondranana entana rehetra. - Fanafoanana ny andininy mikasika ilay TVA roapolo isanjato (20%) takiana amin’ny katsaka sy ny sakafom-biby ary ny faikan’entana hafa satria miteraka olana goavana amin’ireo mpiantsehatra amin’ny tontolo ambanivohitra ary averina folo isan-jato (10%) toy ny teo aloha.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 11 décembre 2019 12:02
    • Photos Gasypatriote

    Savonnerie SEIM Tanjombato

    Savon de qualité, à base de produit végétal respectant l'environnement, pas de produit animal, sans graisse de bœuf, ni mouton, ni porc. La société emploie une centaine de salarié. (Voir Suite Photo)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 décembre 2019 15:19
    • Sary Gasypatriote

    Fahadiovana sy Fidiovana: Ny « politika » no maka ny toeran’ny savony

    Hotataovan-ketra 20% ny akora fanaovana savony, raha ny voarakitra amin’ny volavolan-dalàna hifehy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2020 dinihina eny anivon’ny Parlemanta, dia ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Nitsangam-bolo ireo vehivavy mivelona amin’ny sasa lamba vao nandre izany fa hitombo izany ny vidin-tsavony ary dia hihena ny vola miditra amin’izy ireo. Ketraka torak’izany ihany koa ireo lehilahy mivelona amin’ny fanasana fiaran’olona.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 08 décembre 2019 15:34
    • Sary nomena

    Herinaratra: Hivahiny eto Madagasikara ny Mpandrindra ny « Power Africa »

    Hitsidika an’i Madagasikara ny Mpandrindra ny tetikasa « Power Africa » an’ny governemanta amerikana, Atoa Andrew M. Herscowitz, ny 8 hatramin’ny 11 desambra 2019. « Power Africa » dia fiaraha-miombona antoka eo ambany fiadidian’ny fitondram-panjakana amerikana izay arindran’ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID).
    Lire la suite ...
    • samedi, 07 décembre 2019 22:38
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Herinaratra - Tetikasa « Sahofika »: Tontosa ny fakan-kevitra teto Vakinankaratra

    Tontosa tao amin’ny tranompokonolona Antsirabe ny fakan-kevitra rezionaly ho an’ny fanorenana fotodrafitrasa goavana hamokarana herinaratra ao amin’ny riandranon’i Sahofika, ao amin’ny Kaominina Belanitra, Distrikan’Antanifotsy. Hamokatra herinaratra hatrany amin’ny 200 MWatt ity foibe ity, izay ao Belanitra no hanorenana ny tohodrano, ary any amin’ny Fokontany iray any Anosiben’Ala no hanorenana ny foibe fanampariahana ny herinaratra.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 décembre 2019 21:52
    • Sary nomena

    Tetibola 2020: Nifampihaino ny Vondron’ny Mpandraharaha avy amin’ny SIM sy ireo Loholon’i Madagasikara

    Niaraka nifampidinika ilay lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2020, tao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely androany alarobia 04 desambra ireo Loholon’i Madagasikara, izay notarihin’ny Filohany Rivo Rakotovao, sy ny vondron’ny mpandraharaha ao amin’ny SIM na (Sendikan’ny Indostria Malagasy) izay notarihin’ny filohany Hassim Amiraly. Naneho ireo olana mianjady sy ny hetahetan’izy ireo ny vondron’ny mpandraharaha, ary indrindra ny fiatraikan’ity lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ity raha laniana. Nambaran’izy ireo fa mamono ny Indostria malagasy, izay tena efa mitsipozipozy nandritra ny taona maro manoloana ny fanafarana entana avy any ivelany izay mandoa haba ambany dia ambany tokoa, ary koa mamono ny mpandraharaha anatiny raha tsy hilaza ny manjo ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatrin’ny savony.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 décembre 2019 21:04
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Fanaovan-tsavony: Ankasitrahan’ny orinasa SOBA ny habantseranana 10% alaina akora fototra

    Tsipahin'ny orinasa SOBA, mpanao savony, aty Antsirabe ny filazan'ny SIM (Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara) fa vokatra efa voahodina no hafaran'izy ireo avy any ivelany, ilay antsoina hoe: « bondillion », hanamboarana savony. Nasehon'ny orinasa SOBA ny mpanao gazety ny fanamboarana savony tao aminy. Toherin'izy ireo ny fangatahan'ny SIM ny hampakarana ho 20% ny habantseranana amin'ny fampidirana ny akora fototra fanaovan-tsavony satria hampiakatra ny vidin-tsavony izany, ka ny vahoaka maro an'isa no hizaka izany.
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 décembre 2019 10:03
    • Photos fournies

    Coopération: Modernisation du réseau de télécommunications à Madagascar

    La signature de l’accord d’un projet de modernisation du réseau de télécommunications à Madagascar s’est tenue ce lundi 02 décembre au siège du ministère de Affaires Etrangères à Anosy, engageant entre autres le gouvernement Malagasy et le gouvernement Chinois, représentés respectivement par le Premier ministre Christian Ntsay, et SEMme Yang Xiaorong, l’Ambassadeur de la République Populaire de Chine à Madagascar. La cérémonie a vu la présence du ministre des Postes, des Télécommunications et du Développement Numérique, Christian Ramarolahy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 28 novembre 2019 19:05
    • Sary nindramina

    Vola: Mifarana amin’ny 31 desambra 2019 ny fampiasana ireo ravim-bola navoaka ny taona 2003 sy 2004

    Namoaka didim-panjakana ny Filan-kevitry ny Governemanta nivory ny talata 26 novambra 2019 lasa teo, milaza fa mifarana amin’ny 31 desambra 2019 ny fampiasana ireo ravim-bola 10 000 Ariary, 5 000 Ariary ary 2 000 Ariary izay navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara araka ny didim-panjakana laharana faha 2003-781 natao ny 8 jolay 2003 sy ny ravim-bola 1 000 Ariary, 500 Ariary, 200 Ariary ary 100 Ariary, izay navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara araka ny didim-panjakana laharana faha 2004-1040 natao ny 23 novambra 2004.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 53