Volobe-Toamasina II: Hanorenana foibe famokarana herinaratra manana tanjaka 120 MW

  • samedi, 18 mai 2019 10:07
  • Sary nindramina

Nisy, ny 18 mey 2019, ny fidinana ifotony niarahan’ny solontenan'ny Ministeran'ny Angovo, sy ny Rano ary ny Akoranafo niaraka tamin'ny teknisianina avy ao amin'ny Jirama sy ny teknisianina tao amin'ny CGHV (Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe), nijerena ny toerana afaka hanorenana ny tohadrano lehibe izay mandrafitra io toby famokarana herinaratra vaovao ao Volobe, faritra Atsinanana.

Hamatsy 120 MW, izay afaka hisahana ny filan'ny tambazotran'Antananarivo sy Toamasina ny tobim-pamatsiana herinaratra vaovao izay haorina io.

Heverina ho vita amin'ny taona 2023 io foibe famokarana herinaratra ao Volobe io eo ka mponina eo amin'ny 2 tapitrisa eo no hisitraka izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.