Fandaharanasa “Fihariana”: 200 miliara Ariary hanohanana ireo tanora maniry hanangana na hanitatra ny orinasany

  • samedi, 18 mai 2019 18:35
  • Sary nomena

Nisokatra ofisialy androany 18 mey 2019 ny « Fihariana » izay fandaharanasa nasionaly ho an’ny fandraharahana.

Misokatra ho an’ny tanora sy ny vehivavy manerana an’i Madagasikara, izay maniry hanangana na hanitatra ny orinasany ka hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena ity fandaharanasa « Fihariana » ity.

Manana petra-bola 200 miliara Ariary ny fandaharanasa ankehitriny, izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antokoa toy ny SONAPAR sy ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD). Ny BNI sy BOA no banky hiara-hiasa amin’ny fanjakana amin’ny fampindram-bola ireo tetikasa voafantina ka 1 tapitrisa hatramin’ny 200 tapitrisa Ariary no famatsiana ho azon’ireo tetikasa ireo.

Misokatra eny amin’ny Antenimieran’ny Indostria sy Varotra (Chambres de Commerce) manerana ny Nosy ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo tanora maniry hisitraka izany.
15 andro ny fe-potoana hahazoana ny famatsiam-bolan’ny tetikasa rehefa avy nandalo ny fantina rehetra.

Nampirisika hatrany ireo tanora ny filoha Andry Rajoelina mba ho sahy hanangana tetikasa sy ho tia karokaroka. “Mila fahasahiana sy finoana ny manangana orinasa. Andraikitro ankehitriny ny manolo-tanana ireo tanora Malagasy, mba hamorona asa eto amin’ny firenena ary handray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena”, hoy izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.