Maroantsetra: Manjaka ny varomaizina amin’ny solika, 6000 Ar ny litatra

  • vendredi, 16 août 2019 13:04
  • Sary nindramina

Mampijaly ny mpanjifa ny solika eto Maroantsetra. Mitsitapitapy ny famoahana solika amin’ireo toby mpaninjara misy eto an-toerana. Tsy mazava ny olana fa matetika mihidy. Rehefa misokatra indray dia filaharam-be eny amin'ireo toby mpaninjara ary voafetra ny ora itsinjaran’izy ireo solika, voafetra ihany koa ny fatran’ny solika azo vidina amin’ny vidiny ara-dalàna.

Manjaka ny varomaizina, 6000 Ariary ny litatry ny lasantsy. Saika feno mpivarotra eny anelanelantrano eto Maroantsetra. Avy aiza ny fiaviany ?

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.