Tanandava-Toamasina II: Natsahatry ny fanjakana ny orinasa mpanao menaka fihinana “Madagascar Prenium Oil”

  • lundi, 19 août 2019 15:31
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Fitokonana no nasetrin’ny mpiasa ny fanapahan-kevitry ny fanjakana nanatsahatra ny asan’ny “Madagascar Prenium Oil”, izay orinasa mpanao menaka miorina aty Tanandava-Toamasina II.

23 janoary 2018, fony Randrianarisoa Guy Célin Rivoniaina minisitry ny indostria, dia nahazo alalana ara-panjakana hanangana ny orinasany sy hanangana izany ny tompony. Mbola nohamafisin’ny minisitra Randrinainarivelo Hajo tamin’ny didim-pitondrana laharana 5098/2019 izany ny 21 marsa 2019 izany, izay nanome fahazoan-dalana amin’ny fananganana ny orinasa.

05 aogositra 2019, namoaka didim-pitondrana laharana 16.088/2019 mampitsahatra ny asa indray ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra, sy ny Asa tànana Lantosoa Rakotomalala. Nohamafisin’ny minisitra Hajo Andrianainarivelo tamin’ny didim-pitondrana 16.979/2019 nivoaka ny 14 aogositra 2019 izay nanafoana ny didy noraisiny teo aloha, ihany koa io didim-pitondrana navoakan’ny minisitra Lantosoa Rakotomalala io.

Fanina ary nentin-katezerana ny mpiasa manoloana izao fiovan-kevitra tampoky ny fanjakana izao ka dia nanomboka fitokonana tamin’ny zoma teo, ary milaza ny mbola hanohy izany. Mivoaka ny resaka fa fifaninanana eo amin’ny samy orinasa mpanamboatra menaka fihinana no ao ambadik’izao raharaha izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.