Fanaovan-tsavony: Ankasitrahan’ny orinasa SOBA ny habantseranana 10% alaina akora fototra

  • mercredi, 04 décembre 2019 21:04
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Tsipahin'ny orinasa SOBA, mpanao savony, aty Antsirabe ny filazan'ny SIM (Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara) fa vokatra efa voahodina no hafaran'izy ireo avy any ivelany, ilay antsoina hoe: « bondillion », hanamboarana savony. Nasehon'ny orinasa SOBA ny mpanao gazety ny fanamboarana savony tao aminy.

Toherin'izy ireo ny fangatahan'ny SIM ny hampakarana ho 20% ny habantseranana amin'ny fampidirana ny akora fototra fanaovan-tsavony satria hampiakatra ny vidin-tsavony izany, ka ny vahoaka maro an'isa no hizaka izany.

Nankasitrahan'ny orinasa SOBA kosa ny fandanian'ny solombavambahoaka ilay 10% ihany ny habantseranana alaina amin'ny akora fototra, ho tombontsoam-bahoaka, ary hirarian'izy ireo ny hanarahan'ny Antenimierandoholona izany raha ny nambaran'Atoa Ratsimbazafy Fredy, Tale jeneralin'ny vondrona Sadroudine Antsirabe.

Nambarany fa ny vokatra efa vita avy any ivelany tsy mandoa haba no tokony hitakiana sy hakarina ny haba alaina aminy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.