Tahirimbolam-panjakana: Mandray ny toerany ny Tale Jeneraly vaovao, Ranjalahy Ihajambolatiana

  • samedi, 14 décembre 2019 14:44

Tontosa ny zoma 13 desambra 2019 ny famindram-pintantanana teo amin’ny Tale Jeneraly ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha, Andriamanga Herivelo sy ny Tale Jeneraly vaovao, Ranjalahy Ihajambolatiana.

Nandritra io fotoana io no nankasitrahan'ny Minisitry ny Toe-karena sy Fitantanam-bola Randriamandrato Richard ny Tale Jeneraly teo aloha tamin'ireo asa sy andraikitra nosahaniny izay nahitam-bokatra tokoa. Nirary soa ny Tale Jeneraly vaovao ihany koa izy mba hahavita be amin'izao andraikitra lehibe izay sahaniny izao

Inspecteur du Trésor, manam-pahaizana manokana mahakasika ny « Microfinance » i Ranjalahy Ihajambolatiana, Tale Jeneraly vaovao. Talen’ny Kabinetra ny Minisitry ny Toe-karena sy Fitantanam-bola izy talohan’izao fanendrena azy izao.

Efa nitana andraikitra ambony maro i Ranjalahy Ihajambolatiana na teto an-toerana izany na tany ivelany. Ny volana Aprily 2012 ka hatramin’ny volana Jolay 2019 dia nitana ny andraikitra « Conseiller d’Administrateur - Représentant de Madagascar au Conseil d’Administration; Bureau en charge de l’Algérie, de Madagascar et de Guinée Bissau » ny BAD (Banque Africaine de Développement) ny tenany. Efa nitantana teti-kasa maro ihany koa.

Ny taona 1999 i Ranjalahy Ihajambolatiana no niditra niasa tao amin’ny Tahirimbolam-panjakana malagasy, ka izy no tomponandraikitra voalohan’ny famokarana Tableau des Opérations Financières de l’Etat (Opérations Globales du Trésor-OGT) tamin’izany fotoana.

Nianatra tao amin’ny ENT (Ecole Nationale du Trésor) - Noisiel Paris France ny tenany. Manana mari-pahaizana mahakasika ny Banky sy « Microfinance » ihany koa, izay azony tao amin’ny Centre d’Etudes Financières, Economiques et Bancaires (CEFEB)- Marseille sy DESS Management tao amin’ny Université de Sorbonne- Paris 1, ary « Maitrise de Gestion » tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Nanaraka fiofanana maro ihany koa izy, isan’izany ny « Formation sur la Passation de Marché et règle des arbitrages internationaux », Institut international de formation et conseil en ressources humaines (FORHOM), La Rochelle – France ; ny « Rôle du contrôle interne et des audits dans la Gouvernance des Organisations et stratégie de détection des fraudes comptables », Centre Canadien de Recherche et d’Appui à la Gouvernance des Organisations Publiques ( CCRAGOP ) Montréal – Canada, ary ny « Formation sur la Microfinance « Boulder Microfinance » » tany amin’ny Centre International de Formation de l’Organisation International du Travail, Turin Italie.

(Loharanom-baovao: Tahirimbolam-panjakana)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.