Jirama: Nanao fanamby telo ny Tale Jeneraly vaovao Andriamanga Vonjy

  • jeudi, 19 décembre 2019 20:34
  • Sary Jirama

Mandray ny toerany ny Tale Jeneraly vaovao Andriamanga Vonjy. Tontosa androany ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana, Dr Ravelojaona Albert.

Teboka telo no notsindrian’ny Tale Jeneraly vaovao ho fanamby, dia ny fanarenana ny orinasa Jirama hahatongavana amin’ilay fahaleovantena amin’ny fampiodinana ny orinasa, izay efa natomboky ny mpitantana teo aloha. Eo koa ny fanafoanana ny trosan’ny orinasa izay isan’ny mandentika lalina ity farany, ary ny fitantanana ny mpiasa izay fanalahidy hahafahana manarina ny Jirama

Nanantitrantitra na izany aza ny tale Jeneraly Andriamanga Vonjy fa « tsy ao anaty fandaharan’asa ny « privatisation » an’ny Jirama ».

Efa Minisitry ny Angovo, ny Rano ary ny Akoran’afo teo aloha i Andriamanga Vonjy talohan’ny nanendrena azy ho Tale jeneralin’ny Jirama izao. Injeniera nivoaka tao amin’ny « Ecole Centrale de Paris » ary efa nitana andraikitra ambony teo amin’ny sehatry ny Angovo tany Frantsa sy Romania.

« Fanapahan-kevitra feno fahendrena sy fandalinana lalina ny fanendrena ny Tale Jeneralin’ny orinasa Jirama », hoy ny Filohany Filankevim-pitantanan’ny JIRAMA, Rasamoelina Andriamanampisoa Solo.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.