Tetikasa « Base Toliara »: Misy fandaminana hapetraky ny fanjakàna

  • vendredi, 20 décembre 2019 19:01
  • Sary nomena

Maro ireo mponina no mandà io tetikasa « Base Toliara » io koa « misy fandaminana hapetraky ny fanjakàna », hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian raha tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana momba ny harena an-kibon’ny tany teny amin’ny Mining Business Center Ivato,ny alakamisy 19 desambra.

« Tsy mbola vita tanteraka ny fanombanana ny mety ho fiantraikan’izany tetikasa izany eo amin’ny lafiny tontolo iainana sy ara-tsosialy », hoy hatrany ny fanazavany.

Mikasika ny vola hampitomboana ny renivola ampiasainy, takian’ny orinasa mpitrandraka fasimainty QMM, amin’ny anjaran'ny fitondram-panjakàna indray dia nilaza ny Praiminisitra fa « tsy rariny raha toa ka efa 20 taona nitrandrahana izany orinasa izany no milaza fa mbola ao anaty fatiantoka hatrany, nefa iaraha-mahita ny habetsaky ny vokatra aondrana any ivelan’i Madagasikara ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.