Lalanan’ny fitantanam-bola 2020: Navoaka hanan-kery amin’ny didy hitsivolana

  • samedi, 21 décembre 2019 12:35

Didy hitsivolana no namohana ny Lalanan’ny fitantanam-bola ho an’ny taona 2020 rehefa nivezivezy sy nifanolanan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona.

Nodinihina tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo izy io ary notazomina ny fanitsiana tokana nataon’ny solombavam-bahoaka dia ny hampihenana ho 10% ny tataon-ketra alaina amin’ny « bondillon » fanaovana savony raha toa ka 20% no voasoratra tao amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola.

Naverina amin’ny teo aloha, ka tazomina ihany aloha ny TVA amin’ny entona fandrehitra, gaz, raha nofoanana izy io tao amin’ilay volavolan-dalàna mifehy ny tetibola naroso teny amin’ny Antenimiera roa tonta.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.