Nosy-Be Hell-Ville: Hamokatra herinaratra ho an’ny Jirama ny orinasa Dera Energy

  • samedi, 21 décembre 2019 12:43
  • Sary Jirama

Natao ny zoma 20 desambra 2019 ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa hividianan’ny orinasa JIRAMA herinaratra azo avy amin’ny masoandro amin’ny kaompania kanadiana Dera Energy, hamatsiana ny tanànan’i Nosy-Be Hell-ville.

Afaka hamokatra 3 hatramin’ny 5 MW ny tobim-pamokarana any Nosy-Be Hell-Ville afaka heritaona. « 273,75 Ariary no hividianan’ny Jirama ny KWh ny herinaratra amin’ity orinasa kanadiana ity », hoy i Andriamanga Vonjy, Tale Jeneralin’ny Jirama.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.