Fitsinjarana herinaratra: Hovatsian’ny orinasa Elsewedy Electric kaontera « intelligent » ny Jirama

  • samedi, 28 décembre 2019 11:09
  • Sary nindramina

Hiaraha-hiasa amin’ny JIRAMA ny orinasa Egyptiana Elsewedy Electric, amin’ny famatsiana kaontera "intelligent", mandeha amin'ny alalan'ny fahana. Natao ny 24 desambra lasa teo ny fifanaovan-tsonia mikasika izany, izay miompana amin’ny fananganana orinasa mpamokatra io kaontera io eto Madagasikara, izay hiarahan’ny roa tonta mitantana (joint venture).

Vinavinaina hatomboka ny volana may 2020 ny fananganana ity orinasa ity. Ny orinasa Elsewedy Electric no hamatsy kaontera mandra-pijoron’ilay orinasa.

Tombanana hahazo tombony 20% ny JIRAMA amin’ity fiaraha-miasa ity, izay hampihena ny fatiantoka eo amin’ny lafiny varotra.

Ho foana ny hosoka sy ny halatra herinaratra amin’ny fampiasana ny kaontera “intelligent”. Tsy hisy intsony ny fanaterana faktiora isan-tokantrano. Ny kaontera no mamoaka ny herinaratra lanin’ny mpanjifa, ary tapaka avy hatrany ny herinaratra rehefa tsy misy fahana ny kaontera.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.