Langosta: Misy fe-potoana ny fanjonoana sy famarotana azy

  • jeudi, 09 janvier 2020 15:47
  • Sary nindramina fampiaingoana - D/S Mandoky

Ny Ministeran'ny fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono dia mampatsiahy ny mpandraharaha, ny mpitatitra, ary ny mpanjifa rehetra, fa misy fe-potoana azo anjonoana, hitaterana, hamarotana sy hividianana ny Oratsimba na langosta.

Voarara manomboka ny 01 janoary vao maraina ka hatramin'ny 31 marsa misasak'alina ho an'ny Faritra: Androy, Anôsy, Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fito Vinany.

Voarara kosa manomboka ny 01 oktobra vao maraina ka hatramin'ny 31 desambra misasak'alina ho an'ny Faritra Atsinanana, Analanjirofo, SAVA, DIANA, Sofia, Boeny, Melaky, Menabe ary Atsimo Andrefana.

Ka ireo mpandraharaha rehetra momba ny Oratsimba izany dia tokony hanafoana ny tahiry na stock ao aminy alohan'io vanim-potoana io.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.