Fiainana antoko: Tsaroana manokana nandritra ny fankalazana ny faha 47 taonan'ny MFM i Manandafy Rakotonirina

  • samedi, 28 décembre 2019 10:45
  • Tigre
  • Sary nindramina sy sary Gasypatriote

Teraka ny 30 oktobra 1938 i Manandafy Rakotonirina tao Fandriana, Faritany Fianarantsoa.

Nianatra tao amin'ny ambaratonga voalohany sy faharoa tao Ambositra sy Antsirabe i Manandafy.

Nanohy fianarana tao amin'ny oniversite an'Antananarivo izy, Facultés de droit et des lettres.

Niditra teo amin'ny sehatra politika izy, ka anisan'ireo ati-doha niketrika tao anatin'ny antoko MONIMA notarihan'i Dada Monja, na i Monja Jaona. Nirona tany amin'ny tolona ho an'ny sahirana sy ny madinika izy tamin'izany.

Nampianatra sociologie izy, ary dia navaivay tokoa ireo asa soratra fanakianana ny mpitondra tamin'izany, ary anisan'ny ati-doha niketrika ny ady amin'ny fanagejana nataon'ny mpitondra.

Voasambotra izy ny volana avrily 1971 amin'ny maha mpikambana ny antoko Monima azy.

Anisan'ny nafana fo tamin'ny tolona 1972 i Manandafy Rakotonirina.

Nanorina ny antoko MFM izy ny 27 desambra 1972, niaraka tamin'i Rakotonirainy Germain, fantatra tamin'ny solon'anarana hoe LYNX.

Voasambotra indray i Manandafy ny volana mey 1973 satria nikotrika fankalazana ny 13 mey 1972.

Na dia tsy nanohitra ny fitondrana aza i Manandafy ny taona 1975, niakaran'i Didier Ratsiraka teo amin'ny fitondrana, dia ny volana septambra 1976, noravan'i fitondran-dRatsiraka ny antoko MFM, ary dia notanana tamin'ny toerana manokana na résidence surveillée i Manandafy hatramin'ny volana janoary 1977.

Niditra tao amin'ny FNDR (FRONT NATIONAL POUR LA DEFENSE DE LA REVOLUTION) ny MFM, izay sehatra tokana nahafahana nanao politika teto Madagasikara. Voatendry CSR (Conseil Suprême de la Révolution) i Manandafy ary nisahana ny vaomiera ara-toekarena.

Voalohany teto amin'ny tantaran'ny firenena ny hisian'ny fifidianana ahafahan'ny rehetra mandray anjara, ka nilatsaka ho kandida ho Filoham-pirenena ny volana mars 1989 i Manandafy Rakotonirina. 20% ny vato azony nanolona an'ingahy Ratsiraka.

Anisan'ny atidoha nikotrika ny tolon'ny Hery velona na Forces Vives i Manandafy Rakotonirina, niaraka tamin'i Profesora Zafy Albert, Richard Andriamanjato, ka dia nitsangana ny Conseil national des Forces Vives ny oktobra 1991 taorian'ny fivoriana teny amin'ny Panorama talohan'ny hitsanganan'ny Repoblika faha 3.

Niara-nitantana ny CRES (Comité pour le Redressement Economique et Social) tamin'i Andriamanjato Richard i Manandafy Rakotonirina.

Nilatsaka kandida ho filoham-pirenena indray izy ny 25 novambra 1992, ka 10.45% no vato azony nanoloana an'i Zafy Albert sy Didier Ratsiraka.

Nilatsaka ho kandida izay ho atao Praiminisitra izy teo anivon'ny Parlemanta, fa vato 32 no azony, taorian'i Ralison Roger izay nahazo vato 45, ary resin'i Francisque RAVONY, izay mpikambana MFM ihany koa, tamin'ny vato 55, izay lasa Praiminisitra.

Solombavam-bahoakan'ny Manandriana izy ny taona 1993 hatramin'ny 1998.

Ny 2 novambra 2001, dia nifanaraka ny MFM hanohana ny Kandida ho filoham-pirenena Marc Ravalomanana.

2002 raikitra ny sakoroka taorian'ny fifidianana filoham-pirenena, ka nisian'ny Dakar 1 sy Dakar 2, namahana ny olana teto Madagasikara.

Ny volana oktobra 2006, nanapa-kevitra ny antoko MFM fa hanolotra an'i Manandafy Rakotonirina ho kandida ho filoham-pirenena hifaninana amin'i filoha am-perinasa Marc Ravalomanana.

2009, nisy ny hetsi-bahoaka nanonganana ny filoha Marc Ravalomanana.

Voasambotra i Manandafy Rakotonirina.

Niditra tamin'ny Tondrozotra napetraka niaraka tamin'ny vahiny i Madagasikara, izay niafara tamin'ny fifidianana ny taona 2013-2014.

Nifanantona i Manandafy Rakotonirina sy ny Filoha Hery Rajaonarimampianina.

Nodimandry ny 15 martsa 2019 i Manandafy Rakotonirina.

Nankalazaina ny zoma 27 desambra 2019 tao amin'ny kianjan'ny Kanto Mahamasina ny faha 47 taonan'ny antoko MFM, anisan'ny navitrika tamin'izany i Mahery Manandafy zanaky Manandafy Rakotonirina.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.