Fahadiovan'ny lehilahy: Mila miaratra ve?

  • vendredi, 03 janvier 2020 08:28
  • Super User
  • Sary nindramina

Matetika ny vehivavy foana no omena tsiny fa ela loatra ao amin'ny douche, misy aza ny lehilahy, indray mandeha isan-kerinandro ihany no mandro, vitan'ny sasapiso fotsony.

Nefa na vehivavy, na lehilahy dia mila fahadiovana ho an'ny fahasalamana sy ny manodidina ihany koa.

Ny lehilahy amin'ny ankapobeny dia betsaka volovolo, na tarehy, na ambany helika, na anelakela-pe na ny tratra, ny tongotra sy ny tanana.

Azo afohezina na aratana mihitsy izy ireny, satria dia mitazona bakteria izay mahatonga fofona, sasana isan'andro ny vatana, azo atao ireny huile essentiel ireny na mampiasa akora natoraly toy ny alamo, vinaigre fotsy, voasary makirana...

Mila maina hatrany ny hoditra ho an'ny lehilahy, satria tsemboka lava, azo safidianana ireny akanjo coton ireny amin'ny andro mafana.

Tandremana koa anefa, indrindra fa ireo mipetraka amoron-dranomasina ny mandro be loatra, satria dia manamaina hoditra ireny, ka mahatonga ireo hoditra mihofaka lasa fotsy ireny. Ny rano-tsiran'ny ranomasina koa manimba hoditra, mila misasa amin'ny ranomamy hatrany rehefa avy misaika ranomasina.

Toy izany koa rehefa avy mandro amin'ny piscine hitambarana, misy fanafody izy ireny, ka mila mandro amin'ny rano madio rehefa vita ny piscine.

Mila mihogo volo hatrany, anala ny hangadrano sy ireo volo efa mihitsana, manala ny loto rehetra, fa tsy vitaina amin'ny tanana na fourchette fotsiny.

Ho an'izay mampiasa taratasy rehefa avy mivoaka WC, dia tsara hatrany ny misasa, satria misy loto tavela hatrany, mila misolo silipo isan'andro, mety ho may n'ny pipi ny elakela-pe, diovina hatrany izy ireny, aza mampiasa savony manitra, fa ireny savony Ph neutre ireny, na savony nosy, na savon de Marseille, na ny toy ireny.

Mila miborosy nify hatrany vao mifoha, avy misakafo, mila maharitra 2min eo raha kely indrindra, azo atao ny miverina kosehina kely fanindrohany amin'ny dentifrice, rehefa avy notsanina ilay voalohany, dia tsy hotsanina intsony ilay faharoa, anala ny fofom-bava, sy hiaro ny nify. Mila manamboatra nify, fa ireny no mahatonga ny fofom-bava. Mety marary vavony ihany koa ny fisian'ny fofom-bava.

Mila manasa tongotra isan'andro, ary misolo ba kiraro, satria iny dia hipetrahan'ny bakteria, indrindra ny helakelan-tongotra.

Mila tapahina ny hoho, na ny tongotra na ny tanana satria mitahiry loto ireny, mazava ho azy mila manasa tanana hatrany alohan'ny hisakafo.

Ny mony, tsy potsipotserina fotsiny, fa azo atao tsara ny manasa azy ireny amin'ny eau de Cologne, na eau de rose, misy loto ny hoditra matetika, dia tafiditra anaty masokoditra, ka dia miaro tena ny hoditra dia fonosiny anatin'ireny mony ireny. Ny tovolahy vao mitombo misy azy ireny koa.

Ny maso sy ny orona ary ny sofina, dia diovina avokoa, esorina ireo volo mihoatra, ny volomaso azo hetezana tsara. Raha manao volom-bava dia hetezo tsara, hogoy isan'andro.

Tsy ifandimbiasana na hifampindramana ny rasoir na ny borosy nify, fa samy manana ny azy, alona rano mafana kely na diovina alcool, indrindra ny rasoir électrique, fa ireny no mahatonga ilay irritation, na mahamena sy mamirifiry rehefa avy miharatra. Asio savony kely na mousse ampalefaka ny fanalana volom-bava.

Lehilahy madio, lehilahy mihaja, lehilahy salama, ka aza menatra ataon'ny olona hoe ela ao anaty douche.

Mirary soa e.

Patrick

(Sary nindramina, lehilahy misy volotratra "hono" intelligent, hihihi, zaho aloha tsy misy)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.