Fondation: Fanafangaroana andraikitra

  • mercredi, 08 janvier 2020 11:42
  • Super User
  • Sary nindramina Présidence

Toy izao no nanakianana mafy ny fitondran'i Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nanafangaro ny asam-panjakana, ny fananam-panjakana sy ny fananany manokana.

Nahongana mihitsy izy tamin'ireny.

Nanao toy izay koa ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, ny vadiny no tena nitondra ny firenena, nanana birao sy Cabinet mihitsy izy tao Ambohitsirohitra. Voahongana koa izy tamin'ireny, ary niafara tamin'ny 8% ny vato azony nefa filoha am-perin'asa.

Izao indray dia manomboka hita taratra izay fanafangaroana izay.
Tsara ny asa soa ataon'ny vadin'i Filoham-pirenena, ny association Fitia, fa nahoana moa no idiran'ny fanjakana izay? Satria ve vadin'ny Filoham-pirenena no miandraikitra an'izay fikambanana izay? Maninona tsy nampidirina ireo fikambanana anarivony maro manao asa soa eto Madagasikara? Nahoana ny fanomezana ataon'ny masoivoho, na fifampiraharahana ataon'ny fondation iray amin'ny fikambanana iray no any anaty lampam-panjakana no anaovana azy?

Misy ny karazana association izay fehezin'ny lalàna 60-133 izay tsy mandray fanampiana avy amin'ny Fanjakana, misy kosa ny fikambanana izay antsoina hoe "Association d'utilité publique", izay misy didim-panjakana mihitsy mametraka azy, dia ireny no mahazo famatsiam-bola avy amin'ny fanjakana, fa mbola misy appel d’intérêt public koa aza no atao amin'izy ireny fa tsy avy dia ny fanjakana no manondro izay fikambanana tiany omena fanampiana.

Ny fanjankana dia tokony hitady vaha-olana maharitra amin'ny tsy fanjarian-tsakafo, dia ny famokarana vary sy sakafo, fiompiana sy jono, fanampiana ireo tantsaha hamokatra, fa tsy andeha hiditra amin'ny famokarana koba aina, raha te hanao izany, misy ozinina malagasy efa mpanao izany, ka nahoana tsy ireny no ampian'ny fanjakana?

Raha misy mpandraharaha vahiny, na fondation te hanorina ozinina momba izany sakafo manome aina izany, dia arabaina tonga soa izy, fa tsy tokony hisy hidiran'ny fanjakana manokana, raha misy fanampiana tiana atao aminy, dia ampitovio amin'ny fanampiana omena ny fikambanana na orinasa malagasy hafa.

Ny vadin'ny Filoham-pirenena dia tsy manana toerana mihitsy eo amin'ny fitondrana ny fanjakana araky ny Lalampanorenana, tsy misy vola azo avoaka momba azy raha volam-panjakana no resahina. Resaka arofenitra na protocole ihany no ametrahana azy, ary ny vola karaman'ny Filoham-pirenena sy ny fiarovana azy sy ny fianakaviany no anjara azo omena azy.

Tsy misorona

Mirary soa
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.