Vary: Atsaraina ny tekinika fambolena dia ampiditra 30 milliards $ ho antsika

  • vendredi, 10 janvier 2020 08:44
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hoy i Père De Laulanie, izay nametraka ny tekinika fambolem-bary, ketsa 8 andro hoe, tsy trondro akory ny vary ka alona rano.

Matetika dia hitatsika ireny tanim-bary feno rano manasa-dranjo ireny, toa ny mifanohitra amin'izay indray aza no manahiran-tsaina.

Nefa ny vary, dia tafiditra amin'ny kilasim-bokatra misy vaoniny, graminée, misy tonony. Ny katsaka, ny fary, ny tsaramaso ve dia alona rano?

Fambolena mila hafanana izy, ka ny rano dia ampangatsiaka azy.
Ka tsy mahagaga raha 2 tonnes/ha fotsiny ny vokatra eto amintsika.

Atao izany izay ahatonga matihanina ny mpamboly eto amintsika, omena fiofanana, omena tekinika, omena tany midadasika, fampitaovana vaventy, tohadrano sy lakan-drano, zezika, masomboly.

Ka hiakatra 4-17 tonnes io vokatra io. Amin'ny tany mafana toa ny faritra andrefana aza dia hampakatra indroa isan-taona.

Raha 4 millions tonnes ny vokatra amin'izao, ary 2 millions Ha na 3.5% n'ny velaratanin'ny Madagasikara no misy vary, dia akarina 10% izany mba ahatratra 7 millions Ha afaka 5 taona.

Raha 5 tonnes fotsiny aza ny vokatra, dia hiakatra 35 millions tonnes izany ny isan-taona.
Ny Malagasy anefa mihinana 3,5 millions tonnes isan-taona eo ihany.

Izany hoe afaka 5 taona, dia ampidi-bola 30 milliards de dollars, vola vahiny, ho antsika ny fambolem-bary fotsiny.

Vitatsika io.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.