EPP Antaimby Sambava: Ahiana ho dibo-drano noho dobon-trondro namboarina akaiky eo
Manahy ny mpampianatra sy ny Ray aman-dreny manoloana ny fanomezan-dalana olon-tokana nitrongy ny tany izay mba ho aro amin'ny rano tsy hiakatra nefa nanaovana dobo hiompiana trondro eto amin'ny EPP Antaimby-Sambava.
« Taniko io ary nahazo alalana mazava avy tamin'ny lehiben'ny Fokontaninay teto Antaimby izaho izay vao nanao io », hoy ilay ramatoa tompony.
Raha nidina teny ifotony anefa ny Ben'ny tanàna dia nanasa tanana fa tsy tompon'antoka amin'izay mety ho fiantraikan'io fanaovana dobo lehibe, eo ampitan’ny EPP Antaimby, io satria « tsy nandalo tao aminay mihitsy io fa ny Fokontany ihany no nanao izay tiany natao ka nanaiky nanome izany nefa hanao ahoana ny hoavin'ireo zanakatsika izay mianatra eto »?
(Jereo Sary Tohiny)
JIRAMA: Hihena ny vola lany amin’ny solika hamokarana herinaratra
Nirotsaka ao amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA) nanomboka androany 10 martsa 2020 ny herinaratra 1MW avy amin’ilay foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro ao Tsaratanana, Kaominina Vinaninkarena, Antsirabe.
Iarahan’ny JIRAMA, ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny orinasa SUNFARMING Madagascar ity tetikasa ity, izay vatsian’ny Banky Alemana KFW vola mitentina 40 miliara Ariary.
Hampihena 130 tapitrisa Ariary isam-bolana ny vola lany amin’ny solika ny firotsahan’ity 1MW ity ao amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo ity.
Hamokatra 4,9 MW ity foibe famokarana herinaratra ao Tsaratanana ity ka ny volana desambra 2020 no ho feno tanteraka izany vokatra izany.
Ambositra: Tra-tehaka ny rongony 140 kg nafatratra tamina barika
Noraisim-potsiny ireo lehilahy iray sy ramatoa iray saika hitondra rongony roa barika lehibe mitontaly 140 kg nentina tao anaty fiara tsy mataho-dalana avy any Betroka hiazo an’Antananarivo.
Saron'ny Zandary nandritra ny fisavana teo amin’ny sakana teo Belohataona, Kaominina Ambohimanjaka, Distrika Ambositra, Faritra Amoron'i Mania androany 10 martsa 2020 izy ireo, niainga tamin’ny fanomezam-baovao avy amin’ny olon-tsotra tsara sitrapo.
(Jereo Sary Tohiny)
Antenimierandoholona: Notsipahin’ny Loholona ny volavolan-dalana 002/2020 tokony ankatoavana didy hitsivolana telo
Tsy nankatoavin’ny teo anivon’ny Antenimierandoholona ny Volavolan-dalàna laharana faha 002/2020 tamin’ny 26 febroary 2020 izay ahitana didy hitsivolana telo, dia ny laharana faha 2019-001 tamin’ny 10 mey 2019 mikasika ny « patrimoine routier », ny laharana faha 2019-007 tamin’ny 06 jona 2019 mikasika ireo fanomezana manam-boninahitra (Ordre National Malagasy) ary ny laharana faha 2019-015 tamin’ny 15 jolay 2019 mikasika ny famoriana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny (recouvrement des avoirs illicites) androany talata faha 10 martsa 2020.
Naharitra adim-pamataranandro dimy ny fandinihan’izy ireo izany volavolan-dalàna izany.
Zandarimariam-pirenena: Nanao jery todika ny asa vita nandritra ny taona lasa sady manarina ny lesoka ho an’ny hoavy
Nivory tetsy Fort Duchesne – Antananarivo ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarmariam-pirenena omaly sy androany. Fivoriana nasionaly izy ity anaovana jery todika ny asa vita nandritra ny taona lasa sy ibanjinana ny mbola lesoka harenina amin’ny hoavy, ary entina hanatsarana sy hanamafisana ny anjara birikin’ny Zandarimariam-pirenena eo amin’ny sehatry ny fiarovanam-pirenena anatiny sy ny fahametrahana ny fandriampahalemana.
Nanambara ny Praiminisitra Ntsay Christian, izay tonga nanokatra ity fivoriana ity, omaly, fa miankina amin’ny fisian’ny filaminana sy ny fandriampahalemana, ny fahafahana miroso amin’ny zotram-papandrosoana ny firenena.
Ilàna paik’ady ny fitazomana ny fahombiazana azo tao anatin’ireny “opérations” isan-karazany, izay iarahana misalahy amin’ny Tafika sy ny Polisim-pirenena ireny, nefa ny tanjona hoy ny Praiminisitra dia ny tsy hisin’ny faritra voasokajy ho mena intsony eto Madagasikara, satria izany no antoky ny fampandrosoana.
Coronavirus: Vavy antitra, 89 taona, maty tany Maroc
Ity vavy antitra ity no olona maty voalohany noho ny coronavirus tany Maroc, araka ny nambaran’ny minisitry ny fahasalamana any an-toerana.
Nahitana tranga iray voamarina fa voan’ny coronavirus ihany koa tao Kinshasa renivohitr’i RD Congo, ary io koa no tranga voalohany niseho tao amin’ity firenena ity, araka ny nambaran’ny minisitry ny fahasalamana any RDC.
Tany Iran indray dia lehilahy miisa 27 be izao no maty androany, tsy noho ilay valanaretina coronavirus fa noho ny fibobohana alikaola vokatry ny finoanoam-poana fa hoe tsy andairan’ity coronavirus ity hono rehefa misotro alikaola.
Ministeran'ny Raharaham-bahiny: Vehivavy ny 63% ny mpiasa ao
Vehivavy ny 63% ny mpiasa eo anivon’ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny ary mbola ny vehivavy no maro an’isa amin’ireo mpitantana eo anivon’ity Ministera ity.
Nisy lanonana tsotra izay notarihan’Atoa Tehindrazanarivelo Liva, Minisitry ny Raharaham-bahiny, sy niarahana tamin’ireo mpiasa lehilahy rehetra eo anivon’ity Departemanta ity, ny alatsinainy 9 marsa 2020 nentina nanomezam-boninahitra manokana azy ireo noho ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, fa amin’ny alalan’izy ireo no hitarafana ny kolontsain'ny hatsarana sy ny fivoarana, izay antony iray lehibe tokony hampiroboroboana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy.
(Jereo Sary Tohiny)
Oniversiten’i Toliara: Nijery ifotony ny toeram-pianarana sy ny toeram-ponenan’ny mpianatra ny minisitra Assoumacou
Nidina teny amin’ny campus Maninday Rtoa Assoumacou Elia Béatrice, minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika, ny zoma 6 martsa 2020 teo nijery ifotony ny toeram-pianarana sy ny toeram-ponenan’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’i Toliara.
Talohan’io dia nihaona tamin’ny rantsamangaika rehetra eny anivon’ny Oniversiten’i Toliara ny minisitra. Samy naneho fahavononana amin’ny hamahana ireo olana sedrain’ny oniversite ny andaniny sy ny ankilany.
Tsy nisalasala ihany koa ireto toko telo mahamasa-nahandro eto anivon’ny oniversite ireto naneho ny hetahetan’izy ireo tamin’ny minisitra mba ho fitadiavam-bahaolana amin’ireo olana sedrain’izy ireo na izany eo amin’ny lafiny fikarohana, ny fianarana, ary ny asa fandraharahana rehetra andavanandro ho fampihodinana ny oniversite.
(Jereo Sary Tohiny)
Fampianarana: Misintona lakolosy fanairana ny SEMPAMA Nosy any SAVA
Nanao fanambarana ny SEMPAMA Nosy aty amin’ny faritra SAVA androany 10 martsa 2020 miangavy ny mpanao politika mba tsy hanolo fahatany ny tompon'andraikitra amin'ny fampianarana ato amin'ny faritra na ny talen-tsekoly, na ny lehiben'ny Cisco, na ny DRENETP satria « Fotoanan'ny fanomanana fanadinana amin'izao ka sao hanimba ny fianaran'ny ankizy ny fanovana tompon'andraikitra amin'ny vanim-potoana tahaka izao ».
Miombon-kevitra amin'ny mpampianatra rehetra manerana ny Nosy ihany koa ny aty amin'ny Faritra SAVA ny amin'ny fiandrasana ny vola 50 000 Ariary izay nampanantenain'ny fitondram-panjakana tamin'ny taona 2018, ary efa tokony ho azo nanomboka tamin'ny volana Janoary 2020.
Mitaky amin'ny fomba rehetra ny ahatongavan'io vola io amin'ny « bon de caisse » ny mpampianatra rehetra aty amin'ny Faritra, hoy hatrany ny fanambarana, izay nentin’i Christophe, filohan'ny SEMPAMA Nosy Faritra SAVA.
Coronavirus: Atsahatra avokoa ireo fifaninana ara-panatanjahatena iraisam-pirenena
Araka ny toro-marika manokana nomen'ny Filoham-pirenena tamin'ny filan-kevitry ny minisitra ny 04 mars teo dia atsahatra aloha ireo fifaninana iraisam-pirenena ho fiarovana momba ny valan'aretina coronavirus. Mihantona toy izao koa ny fandehanana any ivelany ho an'ireo Atleta isan-tsokajiny.
Raha misy antony manokana dia azo jerana ireo fepetra tsy maintsy ho raisina.