Filtrer les éléments par date : mardi, 10 mars 2020

Zandary nanao fisafoana tamin'ny lalana miazo an’Ambodiangezoka no nahatratra vehivavy iray, 31 taona, nitondra rongony milanja 04 kilao. Avy any Ambodiadabo ity vehivavy ity, mbola nahitana tavoahangy nisy toaka gasy ary ody gasy ihany koa tany aminy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Ce 09 mars 2020, le Président de la République Andry Rajoelina est revenu dans le Fokontany d'Ankalangasa, Commune rurale d’Androka, District d’Ampanihy afin d'implanter les matériels et lancer les forages. Les machines puiseront jusqu'à une profondeur de 100 mètres pour obtenir de l'eau. En trois jours, la population locale peut avoir accès à l’eau potable. Plus de 2000 personnes à travers la commune rurale d’Androka seront les bénéficiaires de ces travaux.

Le Président Andry Rajoelina a aussi annoncé que cinq nouvelles machines de forages seront acheminées dans les régions touchées par la sècheresse afin que tous les Fokontany puissent avoir accès à l’eau potable. Outre le projet FIAVOTA, qui vise à appuyer financièrement les ménages vulnérables, un « Tsena Mora » a également été mis en place à Ankalangasa pour soutenir la population face à la flambée des prix des produits de premières nécessités.

Publié dans Sociale

Namoaka noty ny Governoran'ny faritra Vatovavy Fitovinany, ny Jeneraly Razafitsotra Olivier, mba hanajana ny vahoaka izay hanomezana hasina, dia tsy maintsy manao fehitenda na cravate, sy akanjo mihaja ireo mpiasam-panjakana miasa birao rehetra mandritra ny ora fiasan'izy ireo avy.

Izay mandika izany dia mety hiaran'ny sazy.

 

Publié dans Politique

Namoaka fanapahana ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana androany 10 marsa 2020, mahakasika ny fangatahan'ny filohan'ny CENI ny anesorana tsy ho mpikambana intsony ny filoha lefiny Manantsoa Thierry RAKOTONARIVO.

Publié dans A la Une

Niverina nisokatra indray, ny alatsinainy 9 martsa 2020, ny Foibe Fampianarana Mozika sy Dihy na CNEMD etsy Ampefiloha Antananarivo rehefa nikatona volana vitsivitsy noho ny asa fanamboarana natao tao, ka voakasin’izany ny trano sy ireo zavamaneno sasany tao.

Manodidina ny 150 hatreto ireo Mpianatra efa tonga nisoratra anarana hianatra mozika sy dihy ao amin’ny CNEMD. Anisan’ireo hisitraka izany ny "Zazakanto", ireto farany izay ny ministeran’ny serasera sy kolontsaina no mandray an-tanana ny fampianarana mozika azy ireo.

Samy nisafidy izay mozika tiany ianarana izy valo mirahalahy mandrafitra ny Zazakanto.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy, ireo vehivavy Loholon’i Madagasikara sy ireo mpiara-miasa vehivavy teo anivon’ny Antenimierandoholona, ny Alatsinainy 09 martsa 2020.

Hetsika fanomezan-drà tetsy amin’ny Hopitaly HJRA no nentina nanamarihana ny fankalazana, tamin’ity taona ity, hetsika izay notarihin’ny Loholon’i Madagasikara Ramalason Olga.

Nanambara ity farany fa tsara ny manome rà, satria mamonjy olona sy manome aina ; noho izany dia nanentana ny rehetra izy mba hazoto amin’ny fanomezan-drà na dia indray mandeha isan-taona ihany aza.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Voalazan'ny lalàna mifehy ny CENI tokoa fa azon'ny CENI atao ny mangataka amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny fanesorana ny mpikambana ao aminy.

Ny 4 marsa dia nangataka tamin'ny HCC ny CENI tamin'ny alalan'ny Filohany RAKOTOMANANA Yves Herinirina, izay voatendry ho CENI, solotena avy amin'ny Holafitry ny Mpisolo vava, ny analana tsy ho mpikambana intsony ny filoha lefiny RAKOTONARIVO Thierry, voatendry ho CENI, solotena avy amin'ny Antenimieram-pirenana.

Ny HCC dia fitsarana toy ny fitsarana rehetra, tsy maintsy mihaino ny andaniny sy ny ankilany, ny mpitory sy ny antony hitoriana azy, ary tsy maintsy mihaino ihany koa ny voapanga sy ny fiarovan-tenany.

Raha ny antony hitorian'ny filohan'ny CENI an'ity lefiny ity dia dia noho ny "adisoana be vava, sy ny fivadihana amin'ny fianianana natao". Ny fianianana anefa dia natao ampahibemasao amin'ny anaran'ny Vahoaka Malagasy teo anatrehan'ny Fitsarana ambony, izay natrehan'ny Filoham-pirenena mihitsy.

Publié dans Editorial
Page 2 sur 2