Pharmacie: Nirohitra nilahatra ny olona
Taorian'ny nahafantarana fa tafiditra eto Madagasikara ny valanaretina Coronavirus dia nirohitra namonjy fivarotam-panafody na pharmacie ny olona, hita izany filaharam-be izany teny Analamahitsy mpiandry raharaha, pharmacie de garde.
(Jereo Sary Tohiny)
Valan’aretina Coronavirus: Vonona ary efa miatrana ny Faritra Vakinankaratra
Namory ireo tompon’andraikim-panjakana ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra androany ary nijery manokana ireo fanafody hiatrehana ny valan’aretina Coronavirus, sy ireo fitaovana ampiasain’ireo mpitsabo tsy maintsy hisahana izany, ary voamarina fa efa vonona ny sampandraharahan’ny fahasalamana, tarihin’ny Dr Rabenirina Pierre.
Nijery ny fandaminana teny amin’ny hopitaly CHRR Antsirabe ihany koa ny Governora amin’ny fandraisana ireo mety ho ahiana hitondra ny valan’aretina. Miisa 23 ny farafara efa vonona avy hatrany ao amin’ny hopitaly hatreto.
Oniversitem-panjakana: Nahemotra ho amin'ny volana may 2020 ny fidiran'ny mpianatra amin'ity taom-pianarana ity
Notanterahana androany 20 martsa 2020 ny COPRIES (Conférence des Présidents et des Recteurs d'Institutions de l'Enseignement Supérieur) na fivoriana an-tampony voalohany niarahan’ny Profesora Assoumacou Elia Béatrice, Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fokarohana ara-tsiantifika tamin'ireo filohan'ny oniversitem-panjakana miisa enina sy ireo Tale jeneralin'ny IST (Institut Supérieur de Technologie) manerana ny Nosy.
Nodinihana nandritra ny fivoriana ireo fepetra rehetra raisin'ny Ministera hiadiana amin'ny fihanaky ny valanaretina Coronavirus.
Tapaka fa amin'ny volana mey 2020 ny fidiran'ny mpianatra amin'ity taom-pianarana ity.
Mitohy kosa ny « soutenance » fa saingy tsy azo hatrehin'ny rehetra afa-tsy ny mpiadina sy ny mpitsara ihany isorohana amin'ny famorian' olona maro.
Antananarivo Renivohitra: Natsahatra noho ny fandaminana anatiny ny hetsika « Takarivan'Iarivo »
Nanao fanambarana ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa « noho ny fandaminana anatiny, dia natsahatra aloha ny Takarivan'Iarivo anio hariva sy rahampitso ». Nivoaka io fanapahan-kevitra io fotoana fohy taorian’ny fanambarana nataon’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, androany, fa misy vehivavy telo voamarina fa voan’ny coronavirus eto Madagasikara.
Coronavirus: Mila mikaon-doha haingana ny manam-pahaizana Malagasy sy ireo mpitsabo nentim-paharazana, hoy ny SECES
Nivory ny SECES (Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra) Sampana Antananarivo, androany 20 Martsa 2020, manoloana ny zava-misy ankehitriny, ary miantso ny rehetra mba « hiray hina tanteraka, hifanome tànana », ny SECES manoloana ny fiparitahan’ny areti-mandoza « Coronavirus » ary « tsy hiroaroa saina manoloana ireo toromarika avy amin’ny fitondrana, tsy hamafy lainga ary samy handray ny andraikitra manandrify azy avy ».
Mila mikaon-doha haingana ny manam-pahaizana Malagasy sy ireo mpitsabo nentim-paharazana mba hanomana ny lisitra mirakitra ireo karazam-panafody misy eto an-toerana ka mety ho zakan’ny fahefa-mividin’ny valalabemandry, heverina fa mety mahasitrana an’io aretin-dratsy io.
« Ny tsara fiomanana hono tsy ho tampohin’ny loza » ary « Ny sery vitan’anamalaho tsy hamonoana vantotr’akoho ».
Federasiona Malagasy ny Baolina kitra: Mihantona avokoa ny fifaninanana kitra manerana ny Nosy
Namoaka fanapahan-kevitra ny Federasiona Malagasy ny Baolina kitra androany, manoloana ny fihanak’ity valanaretina coronavirus ity, fa mihantona ny fifaninanana baolina kitra rehetra manerana ny Nosy, manomboka ny 23 marsa 2020.
Ny Filoham-pirenena moa tamin'ny fanambarana nataony androany 20 marsa, dia nanambara fa mihato avokoa ny fifaninana ara-panatanjahantena rehetra manomboka androany.
AmbondronA: Nahemotry ny tarika amin’ny fotoana manaraka ny seho tokony hataony ao amin’ny Coliseum ny 05 avrily 2020
Nanapa-kevitra ny tarika AmbondronA fa « hahemotra amin’ny fotoana milamina kokoa izay antenaina hiverina farak’izay haingana indrindra » ny fampisehoana tokony hataony ao amin’ny Coliseum ny 05 avrily 2020 ho avy izao, noho ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena sy ahafahana misoroka ny aretina.
Nisy fepetra noraisin’ny tarika ho an’ireo efa nividy tapakila ho amin’izany seho izany, ka ireo izay hamerina ny tapakila dia teny amin’ny toerana nanjifana azy no hanakalozana azy (Nect’art, Supermusic) ny alatsinainy 23 marsa manomboka amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 5 hariva.
Ireo izay hitazona ny tapakila kosa dia manankery iny amin’ny fotoana hamerenana ny seho (Amina seho Coliseum ihany anefa) ary omena tombo-tsoa manokana hiditra amin’ny vavahady voatokana amin’izay andron’ny seho izay. Handray sms kosa ireo nividy tapakila tamin’ny MVola.
Solika: Nilaharana taorian'ny nilazana fa misy eto ny Coronavirus
Vantany vao naheno fa tafiditra eto Madagasikara ny valanaretina coronavirus, dia niazakazaka nividy solika ireo fiara, ka io hariva io dia filaharam-be no hita eny amin'ireo mpanijara solika miasa alina. Efa tazana ihany koa ireo mameno amin'ny tavoahangy sy bidon.
Niteraka fitohanana ara-pifamoivoizana tamin'ny faritra sasany.
Coronavirus: Efa eto Madagasikara, vehivavy miisa telo no voamarina fa voa
Nanao fanambarana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, io hariva io tamin’ny 7ora sy sasany, nilaza fa misy olona telo voamarina fa mitondra ny otrikaretina coronavirus araka ny valin’ny fitiliana nataon’ny Institut Pasteur de Madagascar voarain’ny filoha.
Oniversiten'Antananarivo: Hijanona avokoa ny fampianarana manomboka ny Alatsinainy 23 Martsa 2020
Nanao fanambarana ny fiadidiana ny Oniversiten'Antananarivo androany fa « noho ny fitsinjovana ny fahasalamana dia mijanona avokoa ny fampianarana ety amin’ny Oniversiten'Antananarivo manomboka ny Alatsinainy 23 Martsa 2020.
Ny fanohanana ny vokam-pikarohana kosa dia mandeha ihany fa tsy misy mpanatrika ».