Filtrer les éléments par date : samedi, 21 mars 2020

Nanao fanambarana ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy, Pastora David Rakotonirina, sy ny Birao Foibe, androany, milaza fa « Manoloana ny valan'aretina izay misy eto amin'ny tany sy firenena. Ary koa ho fanarahana ny fepetra efa napetraky ny fanjakana Malagasy ny amin'ny famoriam-bahoaka. Dia mandray izany koa ny Fiangonana Loterana Malagasy.

Ka ny Fiangonana rehetra dia akatona avokoa ny Rahampitso alahady faha III mialohan'ny Paska izao, sy ny fotoana rehetra anatanterahana fivoriana rehetra izany.

Publié dans Art et Culture

Ankalazaina isan-taona isaky ny 22 marsa ny Andro manerantany ho an’ny rano, manoloana ny fisian’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara sy ho fanajana ny fepetra mandrara ny fitangoronana sy ny havoriana ato anatin’ny 15 andro, hisorohana ny fiparitahan’ity valanaretina ity dia nanapa-kevitra ny ministeran’ny rano fa ahemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny fankalazana nasionaly tokony hatao ao Betambatra, Distrikan’i Manjakandriana, Faritra Analamanga ny 22 martsa 2020 araka ny lohahevitra « Rano tsara tantana, fanoitra amin’ny fivoaran’ny toetrandro ».

 

Publié dans Sociale

Mpamoron-kira no mpilalao sarimihetsika i Kenneth Ray Rogers izay fantatra tamin’ny anarana Kenny Rogers teo amin’ny sehatry ny zavakanto. Ny gadona country no tena nahalalan’ny maro an’ity mpanakanto teratany amerikanina ity. 81 taona izy izao nodimandry izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Miaka-bidy ny tongolo eto Sambava. Raha ny hita eny an-tsena tamin’ity marainan’ity sabotsy 21 marsa 2020 ity, andro voalohany taorian’ny nanambaran’ny filoha Andry Rajoelina fa misy olona telo voan’ny coronavirus eto Madagasikara, dia 25 000 Ariary ny tongolo lay iray kilao ary 5 000 Ariary tongolobe.

(Jeroe Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Miomana hiatrika ny fiparitahan’ny coronavirus ny eto amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony, nohamafisina ny paik’ady hiarovana ny fahasalamam-bahoaka. Ho an’ny Kaominina ambonivohitr’i Fianarantsoa dia aorian’ny 15 andro vao hisy indray ny fisoratam-panambadiana ankoatry ny androany. Foanana ihany koa ny tsena Zoma sy Talata mandritra ny 15 andro.

 

 

Publié dans Sociale

Nidina teny Ankadindratombo, Kaominina Alasora, Distrika Antananarivo Avaradrano ny Polisim-pirenena, androany maraina, nandrara ireo hetsika mahavory vahoaka toy ny tao amin'ny Fiangonana iray. Izany dia ho fanatanterahana ny fepetra noraisin'ny fitondram-panjakana amin'ny tsy tokony hisian'ny hetsika famoriam-bahoaka manoloana ny fisian’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.

Hidina eny amin'ireo tsena maro samihafa sy ireo toeram-pivarotana isan-karazany ihany koa ny Polisim-pirenena hisoroka ny mety ho fanararaotana amin’ny endriny samihafa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Nisy fivorian’ireo tomponandraikitra samihafa eto amin’ny faritra Mahatsiatra Ambony, nanapahan-kevitra sy nandraisana fepetra ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka manoloana ny fisian’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.

Eo amin’ny lafiny fahasalamana dia hapetraka ny « Barrage sanitaire » miisa telo hanaovana fizahana ireo mpandeha fiara any amin’ny RN7 ka ny any atsimo dia ao Ankaramena, ny avy any amin’ny Faritra Antsinanana dia ao Alakamisy Ambohimaha, ary ao Camps Robin ny any avaratra, ka miara-miasa amin’izany ny Mpitandro filaminana sy ny mpitsabo.

Apetraka ny "Centre de triage" miisa telo ka ao amin’ny CSB Ankofafa ny any avaratra , ao Mahazengy ny any Atsimo, ho an’ny eto Fianarantsoa dia hatokana hanaovana izany triage izany ny Tranovolo ao amin’ny Lapan’ny Faritany. Ny CHU Hopitaly manaram-penitra Andrainjato no handraisana ireo mila atoka-monina.

Publié dans Vaovao

21 mars: Journée mondiale du rangement de bureaux.

 

Publié dans Fil info

21 mars: Journée mondiale de la marionnette.

 

Publié dans Fil info

21 mars: Journée Mondiale de la Poésie.

 

Publié dans Fil info
Page 2 sur 4