Filtrer les éléments par date : samedi, 21 mars 2020

21 mars: Journée Mondiale de la Trisomie 21.

 

Publié dans Fil info

21 mars: Journée Internationale des forêts.

 

Publié dans Fil info

21 mars: Journée Internationale pour l'élimination de la discrimination raciale.

 

Publié dans Fil info

Nanao fanambarana ny federasiona malagasy ny baskety fa miato avokoa manomboka anio 21 marsa 2020 ny hetsika sy fifaninanana rehetra manerana ny Nosy ho fisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus.

 

Publié dans Sport

Ho fampiharana avy hatrany ny fanambaran'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina ny amin'ny fanafoanana ny famoriam-bahoaka sy hetsika rehetra mandritra ny 15 andro noho ny coronavirus dia nanapa-kevitra ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy fa foana ny fankalazana nasionaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Ala izay saika hatao eny amin’ny Valan-javaboahary Tsimbazaza-Antananarivo.

 

Publié dans Sociale

Filazana amin’ny tabilao « Mifody ny Eglisy niany » no nitsena ny mpino ato amin’ny Fiangonana Advantista Sambava Centre androany marainan’ny sabotsy 21 marsa 2020 fa samy manao fotoam-pihavavahana any an-tokatranony avy, ho fisorohana ny fihanaky ny valanaretina Coronavirus.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanao fampandrenesana ny vahoaka ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures) fa milamina sy mirindra tsy misy ahiana ny famatsiana solika ny nosintsika nanomboka ny faran’ny taona 2019.

Maharitra antsika amam-bolana ny tahiry azo amin’ireo solika vao nafarana, ary ampy tsara amin’ny filana isan’andro ny solika eto Madagasikara. Mbola betsaka ny tahiry fiandry mitoby ao Toamasina ankotran’ireo solika vao tonga tamin’ny herinandro lasa iny.

Feno tanteraka amin’izao fotoana Ireo toby fitahirizana roa lehibe eto Antananarivo (Alarobia sy Soanierana). Ny vokatra taterina isan’andro avy any Toamasina dia betsaka noho ny filan’ny renivohitra sy ny manodidina, hoy hatrany ny fanazavana.

Mizotra an-tsakany sy an-davany ihany koa ny famatsiana ireo toby maro hafa manerana ny Nosy.

Manome vahana ny fiparitahan’ilay otrik’aretina “coronavirus” ny fitangorongoronana hoy ny fanentanana ataon’ny OMH.

 

Publié dans Economie

Nofoanana ny « Tagnamaro : Andron’ny olom-pirenena » fanao isaky ny sabotsy fahatelo amin’ny volana tokony natao manerana an’i Madagasikara ho fampiharana ny fepetra noraisin’ny fanjakana taorian’ny nanambaran’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, fa misy olona telo voamarina fa voan’ny coronavirus eto Madagasikara.

 

Publié dans Tselatra

Iarahan'ny rehetra manaiky ny fepetra anakatonana mandritra ny 15 andro farahafakeliny ny sekoly rehetra manerana ny Nosy.

Velom-panontaniana kosa ireo mpampianatra any amin'ny sekoly tsy miankina, iza no andoa ny karaman'izy ireo, andoa sara-pianarana ihany koa ve ny Ray amandrenin'ny mpianatra, ho zakan'ny sekoly ve ny hiantsoroka irery izany, nefa etsy andaniny tsy maintsy mandoa ny hofatrano, ny jiro sy rano ary ireo kojakoja maro na misy fianarana na tsy misy.

 

 

Publié dans Tselatra

Tranga miseho eto Ambohimandamina Mahajanga izao maraina rehefa nandre ny olona fa efa eto Madagasikara ny valanaretina coronavirus, ary vehivavy miisa telo no voamarina fa voa.

 

 

Publié dans Tselatra
Page 3 sur 4