Filtrer les éléments par date : lundi, 23 mars 2020

Niverina ny « TSENA MORA », fepetra isany noraisin’ny fanjakana hanampiana ny mponina amin’ny fitadiavana ireo filàna fitotra toy ny vary sy menaka. Ho an’ny teto Antananarivo renivohitra dia nampiasaina ho « TSENA MORA » ny sekolim-panjakana sasany.

Nidina ifotony nanara-maso izany ireo tomponandraikitra teo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika sy arak’asa izay notarihin’ny Minisitra Andriamanana Josoa Rijasoa Iarintsambatra androany maraina, nijery ny fanarahana ireo fepetra rehetra tokony hajaina mba hisorohana ny fihanaky ny valan’aretina coronavirus na Covid-19.

 

 

Publié dans Sociale

Amperinasa manomboka androany marain’ity alatsinainy 23 marsa 2020 ity ny « Centre opérationnel Covid-19 », izay manana foibeny eny amin’ny MBC (Mining Busines Center) Ivato.

Raha ny nambaran’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, sojaben’ny fakiolten’ny sampana fitsaboana Ankatso, sady mpitondraten’ity foibe mandrindra ny ady amin’ny Covid-19 ity, dia miisa 12 voamarina fa voan’ity valanaretina ity, ary misy 19 hafa ahiahiana eto Madagasikara. Miisa 1 253 ireo olona atoka-monina ary arahi-maso ara-pahasalamana ka ao Toamasina ny 70 amin’ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanapa-kevitra ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, fa mba hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina coronavirus dia « Ajanona avokoa ireo tsena isan-kerinandro toy ny Mahamasina, Coum 67ha, Ambodin'isotry, Andravoahangy ary Ambohimanarina ».

Hanao fanadiovana tsena faobe ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, iarahana amin'ireo mpivarotra sy ireo fikambanana. Hiaraka amin'izany ny BMH sy ny vondrona Mpamonjy Voina amin'ny fandrarahana fanafody.

 

Publié dans Tselatra

Mitaraina ho tsy mbola nisitraka ny karamany hatramin’ny volana janoary 2020 ireo mpiasan’ny FOFIFA (Foibe FIkarohana ampiharina amin'ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra), indrindra amin’izao trangan’aretina coronavirus izay atrehan’ny Malagasy rehetra izao.

« Manana ankohonana velomina izahay, kanefa tsy mba afaka manangona ireo entana ilaina andavanandro toy ny mpiasam-panjakana toa anay noho ny tsy fisiam-bola », hoy ireto mpiasa ireto.

Miahiahy, ireto farany, fa tsy ity valanaretina izay mila fehezina ny tsy hiparitahany ity ihany no mety hamoizan’izy ireo aina fa noho ny hanoanana amin'ny tsy fananam-bola noho ny karama tsy azo.

 

Publié dans Tselatra

Mikatona vonjimaika ireo biraon'ny APMF eto Antananarivo sy any Toamasina manomboka ny alatsinainy 23 martsa 2020 ka mandram-pisian'ny toromarika hafa manova izany, ho fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus.

 

Publié dans Tselatra

Nahitana filaharambe teny amin'ireo "Tsena Mora" nisokatra tamina Fokontany sasantsasany teto Antananarivo Renivohitra, mivarotra ireo entana ilain'ny mponina andavanandro, raha ny hita tamin'ity andron'ny alatsinainy 23 marsa 2020 ity.

Tsy nisy voahaja ny elanelana sy ny fifampiarovana fa vao maika nitangorona ny olona.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Mikatona ny sampan-draharaha eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra manomboka ny alatsinainy 23 marsa 2020. Manaraka ny lamina araka ny fanambarana nataon'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, isika, hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina, ho fitsinjovana ny mpiara-belona amintsika manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus.

"Mijanona any an-tranony avokoa ny olon-drehetra", hoy hatrany ny fanamafisana ataon’ny Ben’ny tanàna.

 

Publié dans Tselatra

Tanterahina avy hatrany manomboka ny Alatsinainy 23 Martsa 2020 ny fepetra rehetra nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina ny alin’ny alahady, ho fifehezana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus.

Androany tamin’ny 01ora maraina dia nivory ny mpikambana amin’ny OMC na Organe Mixte de Conception, izay notarihin’ny Préfet ny Toamasina sy ny Governoran’ny Faritra Atsinanana, izay mpandrindra ihany koa ny Komitim-paritry ny ady amin’ny aretina Coronavirus

Voakasiky ny fepetra ny Faritra Analamanga sy ny tanànan’i Toamasina. "Ho hentitra ny fampanajàna ny fitsipika sy ny fepetra, ato Toamasina mba ho tombontsoan’ny besinimaro", hoy ny OMC Toamasina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Covid-19: Zava-misy teto Antananarivo androany

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Na ny tsena madinika épicerie, na ireo mpivaro-bary, na ireo mpivaro-kena, voakazo, ovy, karoty ary voatabia dia saika mikatona na tsy misy entana avokoa.

Niakatra 8 000 ariary ny litatry ny menaka ho an'ireo mbola nanana. Ny voasary makirana kosa dia nidina 400ariary raha 1000 ariary izy nifandrombahana teo.

Raha ny fanazavan'ireo mpivarotra dia noho ny tsy fisian'ny fiara mpitatitra, satria mandeha an-tongotra no maka ny entana amidy, nefa tsy misy fiara, taxi na taxibe hitondrana ny entana miverina amidy. Tsy araka ny hanofa 3cv na camion hitondrana entana miverina, rahateo nidangana avokoa ny vidin'entana eny amin'ny mpambongady.

Tsy misy aloha hatreto ny tsena mora raha ny faritra maromaro nojerena alohan'ny atoandro amin'ny 12ora tsy maintsy hikatonan'ny tsena rehetra.

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 3