Takarivan’Iarivo: Ho fanao isaky ny zoma sy ny sabotsy hariva
Ho tazomina foana isaky ny zoma sy ny sabotsy hariva ny hetsika « TAKARIVAN’IARIVO », hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Andiany voalohany no tontosa manoloana ny Lapan’ny tanàna ny faran’ny herinandro teo.
Tsy azon’ny fiara nivezivezena ny toerana fa atao dian-tongotra, afaka nitsangatsanganan’ny mpianakavy sy ny namana. Nisy mpitandro filaminana manara-maso.
Nisy sakafo malagasy manaraka ny fenitry ny fahadiovana (masikita, lasopy, vary sy laoka…), nisy koa mpanakanto sy mpanatalenta malagasy samihafa nanafana ny sehatra.
(Jereo Sary Tohiny)
Ikalamavony: Voaporofo fa mahavita azy ny vehivavy
Tanteraka soamatsara ny fankalazana ny 08 Marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy teto Ikalamavony androany Alahady. Voaporofo fa mahavita azy ny vehivavy ary manana ny toerana maha izy azy eo anivon'ny fiarahamonina sy ny fiainam-pirenena ary ny ankohonana.
Vao maraina dia nisy ny famohamandry natao nanerana ny tanàna izay tabatabam-pifaliana sy horakoraka. Narahan'ny filaharambe namakivaky ny tanàna izay nandraisan'ireo fikambanam-behivavy maro samihafa misy ato amin'ny Distrika.
Nisy ny fanentanana ireo vehivavy mba hivondronana anaty fikambanana mba hahafahana manome tantsoroka azy ireo amin'ny fiofanana sy fikarohana famatsiana ara-bola hahafahan'izy ireo mivelatra amin'ny sehatra misy azy ireo mba ho afaka hahita fidiram-bola hanatsarana ny fiainan-tokantrano.
CENI: Doublons, confusions et agitations
L'arrêtage provisoire de la liste électorale pour l’année 2020 par la Commission Electorale Nationale Indépendante (CENI) a révélé l'existence de 1 162 151 électeurs ayant le même numéro de carte d'identité nationale (CIN) ! Selon le vice-président (VP) de la CENI, Thierry Rakotonarivo, cette anomalie n'a pas eu d'impact sur la crédibilité des élections, mais pour les politiciens cela ne semble pas être le cas.
Dans son explication ce VP donne ses explications comme quoi ces électeurs ayant le même numéro de CIN sont inscrits régulièrement dans la liste électorale et possédant de vraies CIN, seulement elles présentent des anomalies! Certaines portent des numéros identiques, d’autres il manque un chiffre ou bien les noms sont inversés ou déformés.
Il est à rappeler que lors de cet arrêtage provisoire de la liste électorale, la CENI a déclaré l'existence de 10 568 400 électeurs inscrits sur la liste électorale. Et le taux d'inscription a connu une hausse de 2,61% par rapport à l'année dernière. 143 334 électeurs ont été retirés de la liste tandis que 412 151 nouveaux sont inscrits dans celle-ci. Jusque-là, les chiffres collent.
ENAM Androhibe: Mankalaza ny faha-60 taonany
Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohana ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny « Ecole Nationale d’Administration de Madagascar » (ENAM), sy ny taom-pianarana vaovao ho an’ny andiany faha-4 amin’ny fiofanana mitohy, eo anivon’izany ivon-toerana izany, ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, omaly, ary notron’ny Sekretera Jeneralin’ny governemanta, Ramatoa Razanadrainiarison Lucette, izay sady filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ENAM rahateo, sy ireo Talen’ny kabinetra miaramila sy sivily eo anivon’ny Primatiora.
Nisarihana ny sain’ireo mpiofana eo amin’ny maha-zava-dehibe ny andraikitra miandry azy ireo eto anivon’ny firenena ny fanazavana natao tamin’ny alalan’ireo fanamby atrehin’ny fanjakana ankehitriny, entina hitantanana sy hanatanterahana an’ireo vinam-pampandrosoana tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, ary hampiharina amin’ny alalan’ny politika ankapoben’ny fanjakana, izay fitaovana rahateo ahafahana mamaha ny olana maro samihafa eto amin’ny firenena, na ao anatin’ny fotoana fohy izany, na lavitr’ezaka.
Mahajanga: Niharitra ny hafanana teo an-tokontanin’ny Complexe Sportif ireo Vehivavy an'arivony nankalaza ny 8 marsa
Mbola mitohy hatrany ny tsindry ataon'ny fikambanana avy any Antananarivo mitantana ny Complexe Sportif Mahajanga, tompony mangataka atiny ka teo ivelan'ny trano no natao ny hetsika rehetra nanamarihana ny 8 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy androany, fa ireo Egyptiana manao varotra fampiratiana ny ao anatiny.
Ny 4 hatramin'ny 11 marsa 2020, no manofa ny Complexe Sportif, amin’ny sarany 5 tapitrisa Ariary ireo mpanao fampirantiana. Efa nisy ihany ny fifampiresahana sy fifanarahana omaly fa ho an'ny hetsika 8 marsa ny ampahany amin'ny trano hanamarihana ny fankalazana, ary efa vita avokoa ny fametrahana ireo fitaovana rehetra hoenti-manatanteraka izany, saingy androany maraina dia tsy nanaiky indray ireo mpanofa efa nandoa vola tamin'ny mpitantana na dia nisy aza ny fifampiresahana naharitra ela.
Célébration de la Journée internationale de la Femme: Deux journées marathon pour Mialy Rajoelina
La célébration de la journée internationale de la Femme se déroule à Toliara les 7 et 8 mars sous le haut patronage de la Première Dame Mialy Rajoelina. La célébration a ainsi débuté ce 7 mars par l'inauguration de la Maison des Jeunes de Betania-Ankilifaly Toliara.
Depuis 2012, la Première Dame a soutenu les 22 maisons des Jeunes réparties à travers Madagascar. Elle a ainsi réaffirmé son appui à la Maison des jeunes de Toliara en apportant les rénovations ainsi que les fournitures nécessaires. Mialy Rajoelina a également répondu à la demande des jeunes en installant une connexion internet haut débit, destinée au Centre d'Accès à interNET (CANET). Par ailleurs, un centre de formation en coiffure et couture a également été mise en place sur les lieux.
La Première Dame Mialy Rajoelina a ensuite inauguré le "Centre Ami de la Vaccination" de Toliara. C'est actuellement le troisième centre de ce genre, après celui d'Ambohimiandra-Antananarivo inauguré en novembre 2019, et de Tsaralalàna-Antananarivo dont l'inauguration a été réalisée la semaine dernière.
Toamasina: Tao anaty oram-be ny fankalazana ny 08 marsa
Nijojo ny orana teto Toamasina tamin’ity andro fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy ny 8 marsa ity, saingy tsy nahasakana ny fikambanam-biavy nanao filaharam-be izany.
(Jereo Sary Tohiny)
08 mars: Journée internationale des femmes
08 mars: Journée internationale des femmes.
Politika: Fanambaràna nataon'ireo Vondrona Kandida Filoham-pirenena 2018
Mahajanga: Lehilahy iray hita faty teo amin'ny "Village Touristique"
Nahitana lehilahy iray efa tsy nisy aina intsony natsipin'ny ranomasina eo amin'ny torapasika ny "Village Touristique" androany maraina.