Filtrer les éléments par date : dimanche, 24 mai 2020

Nidina ifotony nijery sy nanara-maso ny zava-misy amin'iny lakandranon’ny Pangalana iny tamin'ny helikôptera ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Jeneraly Rakotonirina Richard ny sabotsy 23 may, taorian’ny nahatratrarana mpandeha antsokosoko nandeha lakana avy any Toamasina, Faritra Atsinanana, izay voarara tsy azo idirana sy ivoahana noho ny Coronavirus, hiazo ny faritra Vatovavy Fitovinany nanaraka iny lakandranon’ny Pangalana iny andro vitsivitsy lasa izay

Nanaraotra nijery ny zava-misy manoloana ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin'ny Covid-19 ao Ambalakindresy Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony sy Fandriana Faritra Amoron'i Mania ihany koa ny tenany io andro io.

 

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 24 mai 2020 22:55

Toamasina: Nosoloina ny Préfet

Voatendry nandritra ny Filankevitry ny minisitra manokana androany ho Préfet an’i Toamasina Razafiarison Jean Jugus. Ity farany no misolo torana an’i Benandrasana Cyrille.

Nesorina tamin'ny toerany ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsinanana.

 

Publié dans Tselatra

Voatendry nandritra ny Filankevitry ny minisitra manokana androany alahady 24 may 2020, ho talem-paritry ny fahasalamana Toamasina Dr Razafiarisoa Célestine Vavy, misolo toerana an’i Dr Rakotoarimanana Raymond.

 

Publié dans Tselatra

Manokatra fanadihadiana manokana ny fanjakana hamantarana ny antony marina tena nahafaty ilay mpitsabo iray tao amin’ny Hopitaly Manarapenitra Toamasina androany maraina.

Nisy androany ny Filankevitry ny Minisitra manokana natao tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra nanapahana izany sy nandraisana ny fepetra vaovao hanamafisana ny ady atao amin’ny fihanaky ny Coronavirus ato amin’ny faritra Atsinanana:

1- Hisy ekipa manokana (Brigade spéciale) hanampy ireo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana alefa manokana avy aty Antananarivo.

2- Hisy laboratoara manokana hapetraka ao Toamasina hanafainganana ny fanaovana fitsirihana ao Toamasina

Publié dans Tselatra

Nitranga lozam-pifamoivoizana tetsy Ikianja Ambohimangakely, Antananarivo Avaradrano amin’ny lalam-pirenena androany maraina. Moto scooter nanao taingin-droa no nianjera teo ampisongonana bisikilety sady niaka-piakarana ka tafatsoriaka tany ambany kodiarana fiara taxi-be. Maty tsy tra-drano ny iray, naratra mafy nentina namonjy hopitaly ny iray tamin’ireo mpitaingina moto.

Tonga nanao fanamarinana ny loza ny Zandary.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Moto scooter nanao taingin-droa hiazo an’Arivonimamo no nifandona tamina fiara Renault Express androany alahady 24 may, maraina teny andrefan’Arivonimamo amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1).

Naratra mafy ireo mpitaingina moto, ary nalefa tsaboina ao amin’ny hopitaly Arivonimamo. Nisy fahasimbana ny ila havia anoloana amin’ilay fiara izay tafavoaka ny lalana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanambara i Pedro Sanchez, lehiben’ny governemanta espainôla fa hiverina ireo fifaninana ara-panatanjahantena. Ho an’ny fiadiana ny tompondaka amin’ny baolina kitra, Liga, dia hiverina ny lalao manomboka amin’ny 8 jona ho avy izao.

 

Publié dans Sport

Tovolahy iray, 25 taona, no hita faty nihantona teny ambony hazo teny amin'ny Pont FITIM Mahajanga ny zoma 22 may 2020.

Notadiavin'ny Polisy tany Tsararano ambany misy ny tranony izy ny alakamisy 21 may, noho ny raharaha mahavoasaringotra azy. Tsy hita tao anefa izy, ary gaga ny fianakaviana fa ilay tovolahy efa maty vao hita.

Tonga nijery ny razana ny dokotera sy ny mpitandro ny filaminana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Vono olona sa famonoantena ? Tovolahy iray, 27 taona, no hita faty nihatona teny ambony hazo ny marainan’ny zoma 22 may 2020 tao Ankiakalava Kaominina Ambalaromba Distrika Bealanana.

Efa eo ampelantanan’ny fianakaviany ny razana, misokatra kosa ny fanadihana hamantarana ny anton’izao faty olona izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Mpitsabo tonga hanao fizaham-pahasalamana tao amin’ny efitra nisy azy ny marainan’ity Alahady 24 may 2020 ity no nahita fa nisaringotra tamin’ny tadina seraoma ny tendan’ilay dokotera. Nifarimbona an’ity farany ireo mpiasan’ny fahasalamana nanao vonjy aina saingy indrisy fa tsy avotra intsony.

Publié dans A la Une
Page 1 sur 2