Sociale

    • vendredi, 25 septembre 2020 21:11
    • Sary nomena

    Famatsiana rano fisotro madio: Afa-pahasahiranana ny mponina ao Anosibe Ifody sy Niarovana Caroline

    Nahazo fotodrafitrasa vaovao ny Kaominina Anosibe Ifody (Moramanga, faritra Alaotra Mangoro) sy ny Kaominina Niarovana Caroline (Vatomandry, faritra Atsinanana) hamatsiana rano fisotro madio ny mponina ao aminy. Mponina maherin'ny 10 000 no hisitraka rano fisotro madio amin’ireo Kaominina ireo. Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana eo amin’ny governemanta amerikana, amin'ny alàlan'ny tetikasa RANO WASH an'ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) tantanan'ny CARE Madagascar, sy ny Minisiteran'ny rano, ny fidiovana ary ny mponina eo an-toerana, sy ny mpiara-miombon'antoka amin'ny sehatra tsy miankina, izay hitantana ny fotodrafitrasa, ary hiantoka azy ho lovain-jafy sy hanome rano tsara kalitao hatrany.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 septembre 2020 20:58
    • Sary nomena

    CEG Razaka - Ambatondrazaka: Nohavaozin’ny Rotary Club ny laboratoara

    Notokanana nandritra ny fandalovan’ny Governoran’ny Rotary International Randriamifidy Hugues Emmanuel ny laboratoara tao amin’ny CEG Razaka. Fanambin’ny Rotary Club du Lac Alaotra sy ny Rotary Club Anosy Antananarivo ny nanavaozana an’ity laboratoara ity. Vita soamantsara ny asa izay nandaniana 9 tapitrisa Ariary. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 septembre 2020 17:37
    • Sary nomena

    Mangambe Toamasina II: Mahafindra tendrombohitra rehefa manam-pinoana sy miray hina

    Nangataka ny hananganana distrika Katolika vaovao ny aty Mangambe Sahananto, kaominina ambanivohitra Toamasina faha 2, satria lehibe loatra i Foulpointe izay misy azy ireo ankehitriny. Tsy misy lalana anefa mampitohy an'i Mangambe sy Ambodiriana izay mirefy 30km eo, ny vokatra tsy mivoaka, ny fifandraisana tsy misy.Nizara izany fitarainana sy fangatahana izany tamin'i Kardinaly Désiré Tsarahazana, izay sady Arsevekan'ny Toamasina ireo mpino Katolika aty Mangambe, ka dia nanaiky izy ny anaovana an'i Mangambe ho distrika Katolika vaovao ao anatin'ny Diosezin'i Toamasina.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 septembre 2020 10:50

    Bakalorea 2020: Mitokam-ponenana ireo mpanomana ny laza adina

    Manatanteraka ny « quarantaine » na mitokam-ponenana nanomboka tamin'ny 21 septambra 2020 ireo mpanomana ny laza adina amin'ny fanadinana Bakalorea 2020. Efa voamarina fa tsy misy mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 avokoa ireo olona rehetra hiatrika ny « quarantaine ».Mikato-trano, tsy mahazo mifanerasera na amin'iza na amin’iza izy ireo ao anatin'ny 40 andro mandrapahavitan'ny fanadinana. Nohamafisina ny fepetra rehetra na ara-pahasalamana, na ny fandriam-pahalemana ho an'ireo mpikarakara laza adina sy ny toerana hanatanterahana izany. Hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 23 oktobra 2020 ny fanadinana bakalorea sokajy ankapobeny sy ny andiany voalohany ho an’ny sokajy teknika. Hitohy ny 26 ka hatramin’ny 29 oktobra 2020 ny dingana faharoa ho an’ny sokajy teknika.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 14:52
    • Sary nindramina

    CEPE 2020 - DREN Bongolava : Rakotondrainy Fifaliana no nahazo salan'isa ambony indrindra

    19/20 no salanisa ambony indrindra tamin’ny fanadinana CEPE 2020 tao amin’ny DREN Bongolava. Rakotondrainy Fifaliana, 11 taona, Mpianatra ao amin'ny Collège Sainte Marie Tsiroanomandidy, ZAP Tsiroanomandidy, Cisco Tsiroanomandidy no nahazo io salan'isa ambony indrindra io tamin'ity taom-pianarana 2019-2020 ity.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 14:42
    • Sary nindramina

    BEPC – DREN Betsiboka: 2 431 ny mpiadina miatrika fanadinana

    Tanterahina manerana ny Nosy nanomboka ny 21 septambra 2020 ny fanadinam-panjakana BEPC. Miisa 2 431 ny mpiadina voasoratra anarana hiatrika izany ato amin’ny DREN Betsiboka. Ivon-toeram-panadinana 8 no nandraisana azy ireo, ary efitrano 94 ; manaja ny fepetra ara-pahasalamana. 13 taona ny zandriolona indrindra amin'ireo mpiadina ireo, ary 23 taona no zokiny indrindra. Ny taranja Malagasy no nanombohana izany fanadinam-panjakana izany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 14:33
    • Sary nindramina

    DREN Menabe: 50 taona ny zokiny indrindra amin'ireo mpiadina BEPC

    Mpiadina miisa 5 370 no miatrika ny fanadinam-panjakana BEPC manerana ireo CISCO 5 amin’ireo Distrika 5 mandrafitra ny Faritra Menabe. Mitsinjara amin’ny ivon-teoram-panadinana miisa 22 ireo mpiadina. 11 taona ny zandriny indrindra ao amin’ny Sekoly Tsy miankina Espoir CISCO Mahabo, ary 50 taona ny zokiny indrindra, Candidat libre ao amin’ny CISCO Mahabo ihany. Ho an’ny fanadinana BEP kosa dia miisa 78 ireo mpiadina amin’ny ivon-toeram-panadinana telo ato amin’ny Faritra Menabe, dia ny ao Morondava, Belo/Tsiribihina ary Miandrivazo, izay ahitana lalam-piofanana roa, dia ny "naval bois" sy "Gestion". Iraisan’ny mpiadina rehetra manerana ny Nosy ireto fanadinam-panjakana BEPC sy BEP ireto, izay tanterahina ao anatin’ny fanajana tanteraka ireo lamina ara-pidiovana sy ara-pahasalama rehetra amin’ny ady atao amin’ny valanaaretina Covid-19. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 13 septembre 2020 18:51
    • Sary nindramina

    Mahanoro-Marolambo: Lalana 130 km, 5 andro vao todin’ny kamiao

    Ratsy, mampitaraina ny mponina ny lalana mampitohy an’i Mahanoro amin’i Marolambo, Faritra Atsinanana. Lalana mirefy 130 km eo io, tsy afaky ny fiara madinika, 5 andro vao todin’ny kamiao amin’ny fotoana maina, fa mety ho tapa-bolana an-dalana rehefa fahavaratra. Adin’ny 12 ora ka hatramin’ny roa andro raha moto.Distrika mamokatra i Marolambo toy ny kafe, akondro, … (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 12 septembre 2020 09:15

    Les Fondations et Associations reconnues d’utilité publique

    Les Fondations et Associations reconnues d’utilité publique depuis l'application de la loi 2004_014 du 19 août 2004 portant refonte du régime des fondations à Madagascar Par date la plus récente, parues dans le Journal Officiel 1- Fondation « ANDRY RAJOELINA »DECRET N°2019-2 115Siège sociale: Immeuble Arena Ivandry, AntananarivoObjet: Santé, éducation, environnement, social et économiqueSignataire: 20 novembre 2019, PM Christian NTSAY
    Lire la suite ...
    • mercredi, 09 septembre 2020 11:14
    • Sary fanehoana nindramina

    Labatoara: Tsy manaraka fenitra ny ankamaroany

    Ny Malagasy dia anisan'ny mihinan-kena atao laoka ho an'izay mbola mahatakatra an'izany. Mitana ny lohalaharana amin'izany ny hen'omby, ny akoho, indrindra ny poulet de chair, na ny akoho fakana nofony, ny kisoa, ny ondry, ny osy, ny vorona sy ny bitro. Vitsy ny mihinana soavaly. Isaky ny renivohitry ny distrika, sy ireo Kaominina lehibe dia saika ahitana labatoara, toerana famonoana sy fitsarana ireo henam-biby ireo, izay sahanin'ny veterinera any an-toerana. Efa antitra na tsy araka ny fenitra ara-phasalamana anefa ny maro amin'izy ireo.Tsy voahaja ny toerana ametrahana ny biby vao tonga, ny toerana anavahana ireo izay tsy salama, ny fikarakarana ny biby mba haka aina tsara vao vonoina, ny fahadiovan'ny toerana famonoana, ny fisian'ny rano madio anasana ny biby avy novonoina, ny toerana anadiovana sy andrasana ny biby efa maty, ny anavahana ny hoditr'ilay biby, ny toerana anariana sy hikarakarana ireo maloto tsy hivarina eny rehetra eny.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 222