Tselatra

    • samedi, 26 septembre 2020 10:26

    Fampianarana: Miverina mianatra ny mpianatra ho mpitsabo

    Namoaka naoty ny sojaben'ny fampianarana ambony momba ny fitsaboana, faculté de médicine, Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, fa miverina mianatra ny mpianatry ny faculté de médecine Antananarivo ny alatsinainy 5 oktobra 2020, ho an'ny 2eme année ka hatramin'ny 6 ème année.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 septembre 2020 22:02
    • Sary: ZP

    Halatra sy famotsian’omby: « Délégué administratif » iray voasambotra

    Voasambotry ny Zandary teny amin’ny « bord » Mahajanga Be ny 23 septambra 2020 ny « Délégué administratif » iray, niasa tany Manaratsandry. Voarohirohy amin’ny halatra sy hosoka amin’ny famotsian’omby izy. Voatonona amin’ny raharaha vono olona ihany koa ny tenany. Efa nanana olana ara-pitsarana ity « Délégué administratif » ity, rehefa nidaroka zandary amperinasa iray tao Marovoay. Nomen’ny Fitsarana fahafahana vonjimaika anefa izy.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 septembre 2020 21:52

    Ranomafana – Ifanadiana: Mpiasan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena matin’ny Covid-19

    Lehilahy iray, 44 taona, mpiasan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena lavon’ny aretina Covid-19 ny 23 septambra teo. Niandraikitra ny fanaraha-maso ny fizotry fanadinana BEPC 2020 tao amin’ny Cisco Vohipeno izy. Nanana olana ara-pisefoana ilay mpiasam-panjakana, ka nandray fanapahan-kevitra ny dokotera nandray an-tanana azy handefa azy haingana hotsaboina ao Antananarivo. Teny an-dalana handeha dia nisy fotoana niatoana kely nisakafo atoandro tamin’ny toeram-pisakafoanana iray tao Ranomafana. Tsy nahatsiaro tena tampoka anefa ilay mpiasam-panjakana ka nentina tao amin’ny CSB2 Ranomafana. Natao avy hatrany koa ny fitiliana TDR, rehefa hita fa niala aina ary dia fantatra fa mitodra tsimok’aretina coronavirus izy. Nalevina avy hatrany tao Masomanga, Kaominina Ranomafana ny faty ny 24 septambra vao maraimbe, manaraka ny fepetra ara-pahasalamana. Efa fantatra avokoa ny toerana nalehany, ary efa noraisin’ny fanjakana ny fepetra tsy hiparitahan’ny valanaretina coronavirus.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 septembre 2020 20:57

    Zandarimariam-pirenena: Hisy fandraisana mpianatra ho zandary miisa 1200 ny taona 2021

    Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny governemanta ny handraisana mpianatra ho zandary miisa 1200 ny taona 2021 eo anivon’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 septembre 2020 11:02

    Fiakaram-be Ambohipo: Andrasana amono olona ve?

    Fiakaram-be Ambohipo: Andrasana amono olona ve?
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 septembre 2020 22:14
    • Sary nindramina

    Village Touristique – Mahajanga: Hita natsingevan’ny ranomasina ny nofomangatsikan'ilay tovolahy dobo an-drano omaly

    Nisy joro natao ho fanajana ny fomban-tany androany maraina. Taorian'izay no natsingevan’ny ranomasina ny nofomangatsikan'ilay tovolahy iray, manodidina ny 15 taona, natelin’ny ranomasina teo amin’ny Village Touristique omaly tolakandro. Raha ny angom-bavao dia nisy vevavy nilomano dia saika natelin’ny ranomasina tamin’io fotoana io. Raha nahita izany ny tovolahy roa teo manodidina dia niezaka nanavotra azy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 septembre 2020 21:04
    • Sary nindramina

    Village touristique – Mahajanga: Tovolahy nandeha hanavotra olona, izy indray no natelin’ny ranomasina

    Tovolahy iray manodidina ny 16 taona no natelin’ny ranomasina teo amin’ny Village touristique ny alarobia 23 septambra tolakandro. Raha ny angom-bavao dia nisy vevavy nilomano dia saika natelin’ny ranomasina. Nisy tovolahy roa teo manodidina nahita azy, dia niezaka nanavotra. Avotra ilay vevavy sy ny iray tamin’ireo tovolahy nanavotra, fa ny iray natelin’ny ranomasina ary mbola nokarohina hatramin’ny lenti-masoandro fa tsy mbola hita.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 septembre 2020 19:52
    • Sary nindramina

    Ambalavao Isotry: Trano fitehirizana entana nirehitra

    Nitrangana haintrano teo Ambalavao Isotry – Antananarivo Renivohitra ny hariva teo. Trano fitehirizana entana izay karana no tompono no nirehitra. Nanao izay ho afany ny mpamonjy voina namono ny afo. Nisy tovolahy iray nosamborin’ny Polisy, voalaza fa nanararaotra nanendaka tao anatin’ny fitangoronana sy fikoropahan’ny olona nandritra ity haintrano ity. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 19:49
    • Sary nindramina

    Lova Renée: Notoloran’ny Governoran’ny Faritra Atsinanana fanomezana sy fahatsiarovana

    Faly niarahaba an’i Lova Renée tamin’ny nahafahany CEPE izay fanadinam-panjakana voalohany, ny Governoran’ny Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore. Nampiantso an’i Lova Renée sy ny Ray aman-dReniny tao amin’ny birao fiasany ny Governora androany tolakandro, nanolotra fanomezana sy fahatsiarovana mba ho mari-pankasitrahana azy; sady nisaotra ihany koa ny ezaka fanentanana ady amin’ny Covid-19 rehetra nataony.
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 14:59
    • Sary: Polisim-pirenena

    Fisolokiana: Olona efatra vosambotry ny Polisy

    Voarohirohy amina fanodinkodinana menaka iray kamio hita tetsy Itaosy izy ireo. Voatonona tamin’ny fanodinkodinana vary milanja 97 taonina ihany koa, ary fanodinkodinana "carreau" sy "matériel sanitaire" mitentina 91 938 800 Ariary tamina orinasa iray teto an-drenivohitra. Mampiasa anarana fikambanana mpanao asa soa samihafa, ary koa mampiasa seky halatra izy ireo ividianana entana amin'izay olona solokiany. Saron’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany Voalohany Analakely izy efatra, izay mpivady ny roa, miampy vehivavy lehibe iray sy lehilahy iray.    
    Lire la suite ...
Page 1 sur 592