Nosy-Be Hell-Ville: Gazoala 11 daba kely tra-tehaka saika havoaka an-tsokosoko

  • dimanche, 03 novembre 2019 14:04
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Olona miisa fito no nitsikomba tamin’ity halatra ity, misy mpiasan’ny Jirama, miaraka amina sivily mpiambina sy mpiasana orinasa tsy miankina eo manodidina.

Gazoala voatsinjara tamina daba kely 11 isa no efa voaomana hobataina no nisy nahatsikaritra, ka nampandre avy hatrany zandary.

Efa voasambotra ny efatra ary nanokafan’ny Zandary fanadihadiana, ny telo efa nametrahan’ny mpitantana ny Jirama fitoriana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.