Antsirabe: Filaharana no hita eny amin’ny farmasia sy toby mpaninjara solika

  • samedi, 21 mars 2020 14:44
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Noho ny tahotra ny fihanaky ny valanaretina coronavirus dia nahitana filaharana teny amin’ireo farmasia sy toby mpaninjara solika teto an-drenivohitry ny Faritra Vakinankaratra hatry ny omaly hariva sy androany tapakandro maraina.

Raha ny hita amin’ny ankapobeny eny amin'ny farmasia anefa dia « cache-bouche » singany iray na roa no handanian'ny olona andro milahatra. Ny « cache-bouche » anefa tsy azo anaovana mihoatra ny ora 6 dia tsy maintsy soloina, nefa ny fotoana lany hilaharana azy efa tapitra ny fetr'ora ampiasana azy.

Nahitana filaharana ihany koa teny amin'ireny toeram-pivarotana goavana ireny hatramin'ny maraina, olona miantsena ireo entana ilaina andavanandro atao tahiry.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.