Tsenan’Anosibe: Niakatra avo roa ka hatramin’ny dimy heny ny vidin-javatra

  • samedi, 21 mars 2020 18:57
  • Zakaria

Nahitana fisondrotana haingana ny vidin’ny sakamalaho, tongolo ary voasary makirana teny an-tsena, saika manerana ny Nosy taorian’ny fanambarana ofisialy nataon’ny fanjakana, omaly hariva, fa efa eto Madagasikara ny valanaretina coronavirus ary misy olona telo efa voamarina fa voan’io aretina io.

Raha ny hita teo amin’ny Tsenan’Anosibe Antananarivo dia lasa 10 000 Ariary ny kilao amin’ny voasary makirana raha 2 000 Ariary izany omaly. Toy izany koa ny tongolobe, lasa 10 000 Ariary ny kilao androany raha 2 000 Ariary teo aloha. Niakatra ho 12 000 Ariary ny sakamalaho iray kilao androany raha 4 000 Ariary izany omaly. 18 000 Ariary ny tongolo gasy iray kilao raha toa ka 9 000 Ariary izany teo aloha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.