Coronavirus: Miato ny fotoam-pivavahana amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy manerana an'i Madagasikara

  • samedi, 21 mars 2020 20:48
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Ho fampiharana ny fanambarana nataon'ny Fitondram-panjakana manoloana ny fihanaky ny valan'aretina Coronavirus (Covid19) dia miato ny fotoam-pivavahana eo amin'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eran'i Madagasikara manomboka izao mandra-pahatapitry ny fe-potoana 15 andro izay napetraky ny Fanjakana.

Manentana ny mpino ao aminy hivavaka ho an'ny Firenena any an-tokantrano, ny Mpitandrina ao amin'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, Foibe Ankorondrano-Antananarivo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.