Vaovao

    • vendredi, 25 septembre 2020 22:14
    • Sary: ZP

    Feramanga Nord – Ambatondrazaka: Vehivavy 70 taona nisy namono, may koa ny tranony

    Loza mahatsiravina no nitranga tao Ambohibao Fokontany Toakazo, Kaominina Feramanga Nord, Distrika Ambatondrazaka ny 20 hifoha ny 21 septambra 2020. Vavy antitra, 70 taona, maty nisy namono. Nahitana ratra ary nisy tapaka vatany. Nodoran’ireo olon-dratsy ihany koa ny trano fonenany taorian’izay. Ny zanany lahy no nampandre ny Zandary, izay nanokatra fanadihadiana avy hatrany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 septembre 2020 22:09

    Sahambano - Ihosy: Maty voatifitra ilay dahalo nitsambikina avy eny ambony moto saika handositra

    Lavon’ny balan’ny zandary i Sely, dahalo raindahiny amin’ny halatr’omby. Voasambotry ny Quartier Mobile sy ny Fokonolona izy rehefa nifanenjehana taorian’ny asa ratsy nataony ka nahaverezana omby telo, tao Soakija Fokontany Andranomasy, Kaominina Sahambano ny 23 septambra lasa teo. Sady tsy nisy kara-panondro na pasipaoro tany aminy, fa ny hany nambaran’i Sely dia avy any Ranotsara Sud izy.Nalain’ny zandary, nentina tamin’ny moto ho ao Ihosy hanaovana famotorana azy ilay dahalo no nitsambikina avy eny ambony moto saika handositra, nanararaotra ny lalan-dratsy. Tao anatin’izay no nahavoatifitra azy ka namoizany aina, rehefa nikiry nitsoaka tsy nety nijanona.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 septembre 2020 21:30
    • Sary: ZP

    Beronono – Anjozorobe: Dahalo raindahiny maty voatifitra

    Maty voafititra ny 22 septambra teo raha nikasa hitsoaka taorian’ny nisamborana azy i Ndrema na Bekotaba. Azo ny basy MAS36 fampiasany sy bala ary ny ody gasy. Dahalo raindahiny amin’ny halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana nampihorohoro tamin’iny faritra Betsiboka sy Distrika Anjozorobe iny izy io. Bekotaba no voalaza fa tompon’antoka tamin’ny halatr’omby tao Morafeno Kaominina Antakavana, Distrika Ankazobe ny 17 septambra teo. Natao ao amin’ny Kaompanian’ny zandary Ankazobe ny basy azo tamin’io dahalo io. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 septembre 2020 10:54
    • Sary nomena

    Morarano-Andranomanelatra: Trano tsy nisy nipetraka nefa may tanteraka

    Nitrangana haintrano tao amin’ny Fokontany Morarano, Kaominina Andranomanelatra, Distrika Antsirabe II ny alahady 20 septambra 2020 tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro. Trano tsy nisy nipetraka ity trano ity raha ny nambaran’Atoa Randriamiandrisoa Jery, lehiben’ny Fokontany any an-toerana. Mpivady no tompon’ilay trano, saingy efa roa volana izay no nodimandry ilay ramatoa. Niverina nipetraka any amin’ny rainy ilay rangahy, any no mahandro sy misakafo ary tsy nikarakara na mandrehitra afo ao amin’ilay trano mihitsy izy. Ora tsy fikarakara sakafo ihany koa no nipoiran’ny afo ka nampametra-panotaniana ny maro ny tranga niseho. Hatreto dia tsy misy mihitsy ny olona mety ho ahiahiana ho nahavita nandoro ny trano raha ny nambaran’ny sefo Fokontany ka fitarainana tsotra no napetraka teny anivon’ny mpitandro filaminana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 15:33
    • Sary nindramina

    Toamasina: Miroso amin’ny fandravana trano ao Barikadimy ny kaominina

    Miroso amin’ny fandravana tsikelikely ireo trano miorina tsy ara-dalàna manodidina ny kianjan’i Barikadimy ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Efa nisy ireo ampahan-trano voatery noravàna ny alakamisy lasa teo ary mbola hitohy izany.Mponina ao anatin’ny velarantany mirefy 24 hekitara no tsy maintsy handao ny toeram-ponenany ato ho ato. Voalaza fa an’ny fitaleavam-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena (DRJS) Atsinanana ny tany izay antsoina hoe : “Hypodrome de Toamasina”. Tsy milaza mazava ny faritry ny tany tsy maintsy anesorana olona anefa ny tompon'andraikitra.Ny zava-misy fotsiny dia mandeha tsikelikely ny fanesoran’olona amin’ny tany.
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 14:28

    Antsirabe: In-droa diso fanantenana ireo mpiasan’ny Zone

    Diso fanantenana ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba iray eto Antsirabe raha niverina teny amin’ny toeram-piasany ny alatsinainy maraina satria tapitra ny fe-potoana nolazaina azy ireo fa handehanan’izy ireo « fiatoana ara-teknika », noho ny hamehana ara-pahasalamana. Telo volana no efa niato tamin’ny asany izy ireo, ka io omaly io no tokony ho tapitra izany, ary nanantena ny hiverina hiasa izy ireo, saingy nambara indray fa tohizana izany « fiatoana ara-teknika » izany, ka amin’ny Janoary 2021 vao ho fantatra ny hoavin’izy ireo na tonga dia hiasa ny tsia.
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 septembre 2020 22:31

    Pilo kely: "Angaha tsy fanefitra fiarovana no sady fitsaboana ny CVO", hoy ity mpamily Taxi-be

    Voasakan'ny mpitandro filaminana ity taxi-be iray. - Papier azafady- Fa misy inona Sefo, hoy ity mpamily- Visière nareo miakatra tsy manarona tarehy, orona vava- Ka manjavona amin'ilay fofon'aina ilay izy Sefo, dia mety hitera-doza- Ny lalàna no ampihariko, omeo ny papierNisava boite à gant ty saofera, navoakany avy any carnet fokotany sy CVO tamin'ny tavoangy, efa nisotroana kely- Ity Sefo ny papier, voalaza mazava io fa fiarovana, ary raha marary dia fitsaboana, ka aiza amin'io ny filazana fa maharesy CVO ny masque nao, sady oviana sefo ny setroka échappement no atao anaty filtre à air, rivotra maloto no avoakan'ny vava, nefa teren'ny takom-bava hiakatra trohan'ny orona, ka izany ve no anasaziana olona?
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 septembre 2020 22:25

    21 - 27 septembra: Herinandro iraisam-pirenena ho an’ny olona marenina

    Ny taona 1958 no nankalazaina voalohany tany Roma (Italia) ny Herinandron’ny Olona Marenina. « Tenin’ny tanana, ho an’ny olona rehetra » ny lohahevitra nosafidian’i Madagasikara hankalazana ny Herinandro iraisam-pirenena ho an’ny olona marenina amin’ity taona 2020 ity. Tombanana ho 200 000 ny olona marenina eto Madagasikara, ka 1% ihany no mbola tena mampiasa ny tenin’ny tanana. 46 no isan’ny mpandikateny tenin’ny tànana Malagasy nahazo diplaoma. Isan’ny fitakiana ataon’ny Federasionan’ny Merenina eto Madagasikara ny hankatoavana ny tenin’ny tanana ho teny ofisialy ao anaty Lalampanorenana.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 20 septembre 2020 21:08
    • Sary nindramina

    Fanafihana mitam-basy tao Ankililaly – Soahazo : Votsotra sahady ny olona nahiahiana ho nahavanon-doza

    Nitrangana fanafihana mitam-basy tao amin’ny Fokontany Ankililaly, Kaominina Soahazo, Distrika Toliara II, roa herinandro lasa izay. Olona roa no namoy ny ainy, ary iray hafa maratra mafy. Trano iray ihany koa no nodoran’ireo nanafika. Fantatry ny fianakavian’ny niharam-boina ny telo tamin’ireo dimy nanafika. Voalaza fa mpamerin-keloka ny sasany amin’ireo saingy votsotra hatrany na eo anivon’ny mpanao famotorana na eo anivon’ny Fitsarana. Mbola nitranga izany tamin’ity fanafihana mitam-basy tao Ankililaly ity, araka ny fitarainan’ny fianakavian’ny niharam-boina dia votsotra ny zoma ny olona nahiahiana ho tompon’antoka raha efa voatana vonjimaika nanomboka tamin’ny alatsinainy lasa teo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 18 septembre 2020 15:58
    • Loharanom-baovao: InfoCom Seg

    Fisolokiana: Teratany Nizeriana roa notanana am-ponja vonjimaika

    Teratany Nizeriana telo lahy nanao fisolokiana tamin'ny alalan'ny tambazotran-tserasera no voasambotry ny Zandary avy ao amin'ny fikarohana heloka an'habakabaka (cybercriminalité), ny 10 sy 13 septambra 2020 teto Antananarivo. Vehivavy teratany malagasy miisa roa no lasibatra, ka nahazoan'ireo vola mitentina 10 600 000 Ariary. Naman'izy ireo izay mipetraka any Dubai no atidoha nikotrika ny fisolokiana ka milaza fa handefa fanomezana nefa mitaky vola hikarakarana ny "certificat d'origine" an'ireo entana. Ireo Nizeriana no mpandray izany vola izany. Natolotra ny fampanoavana ny 16 septambra 2020 ny raharaha ka notanana am-ponja vonjimaika ny roalahy tamin'ireo mpisoloky telo. (Loharanom-baovao: InfoCom Seg) (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 205