Sambava: 157 ireo fiara nampidirina ''fourrière'', henjan-droa ny tady ...

  • dimanche, 01 mars 2020 18:44
  • Sary Gasypatriote Sambava

Gaboraraka ny fifamoivoizina, indrindra eo amin'ny fitateram-bahoaka ato amin'ny Faritra SAVA. Tsy faly amin'ny fandaminana ireo mpitatitra ka nanao fitokonam-be, tsy niasa ireo zotra rejionaly mampitohy an’i Sambava sy Antalaha ny faran’ny herinandro teo.

Fitakiana maro no nasetrin'izy ireo izay nisy ny saro-bahana satria hatramin'ny fanesorana ireo mpiasa manontolo ao anaty koperativa, ny fitakina ny mangaraharaha ny amin'ireo vola maro takiana amin'izy ireo: manifold, « droit de stationnement », "Laissez-passer » ...

Nipoiran’ny fihetsiketsehana ny nigiazan’ny Polisy fiara roa izay nanao ''racolage'' ka niafara tamin'ny fampidirna « violon » ireo mpamily roa nandritra ny 48 ora. Nisy avy hatrany ny fananganana ny ''Commission Mixte de Contrôle de sécurité routière'' izay ahitana ireo mpisehatra amin'ny fitaterana, ny Zandary, Polisy, foiben-ketra, ny Kaominina, ATT, koperativa izay manana tanjona hanadio tanteraka ny gaboraraka amin'ity fitaterana ato amin'ny Faritra SAVA ity.

Nahatratra 157 ireo fiara tsy nanara-dalàna ka nalefa ao ampamonjana fiara (fourrière) tato amin'ny Kaominina ambonivohitra Sambava tao anatin’ny telo andro nanaovana ny fanadiovana dia ny Alarobia, Alakamisy sy Zoma. Nilaza ny Benin'ny tanànan’i Sambava Ramangalaza Judicael fa tsy ny Kaominina no tompon'andraikitra tamin'ity hetsika ity.

Nikaondoha ireo mpandraharaha tompon’ny fiara nampidirina « fourrière » ary angataka ny hampitsaharana avy hatrany izao hetsika izao, izay ambaran’izy ireo fa tsy mifanaraka amin’ny voalazan’ny andininy faha-313 amin’ny « Code de la route », fa lasa « hery famoretana tsotra izao ».

Misy « Police de la Route » ihany koa isan’andro fa nahoana no tsy misy ny fampidirina « fourrière », sa mila « mixte » foana vao hita ny tsy ara-dalàna, hoy hatrany ireto mpandraharaha amin’ny fitaterana ireto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.