Zandarimariam-pirenena: Nanao jery todika ny asa vita nandritra ny taona lasa sady manarina ny lesoka ho an’ny hoavy

  • mardi, 10 mars 2020 22:18
  • Sary nomena

Nivory tetsy Fort Duchesne – Antananarivo ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarmariam-pirenena omaly sy androany. Fivoriana nasionaly izy ity anaovana jery todika ny asa vita nandritra ny taona lasa sy ibanjinana ny mbola lesoka harenina amin’ny hoavy, ary entina hanatsarana sy hanamafisana ny anjara birikin’ny Zandarimariam-pirenena eo amin’ny sehatry ny fiarovanam-pirenena anatiny sy ny fahametrahana ny fandriampahalemana.

Nanambara ny Praiminisitra Ntsay Christian, izay tonga nanokatra ity fivoriana ity, omaly, fa miankina amin’ny fisian’ny filaminana sy ny fandriampahalemana, ny fahafahana miroso amin’ny zotram-papandrosoana ny firenena.

Ilàna paik’ady ny fitazomana ny fahombiazana azo tao anatin’ireny “opérations” isan-karazany, izay iarahana misalahy amin’ny Tafika sy ny Polisim-pirenena ireny, nefa ny tanjona hoy ny Praiminisitra dia ny tsy hisin’ny faritra voasokajy ho mena intsony eto Madagasikara, satria izany no antoky ny fampandrosoana.

Nasongadina nandritra ny fotoam-panokafana ny fivoriana ny fanavaozana natao teo anivon’ny Zandarmaria, isan’izany ny fametrahana ny CSAO na ny “Centres Spéciaux d’Aguerrissement Opérationnel” amin’ny toerana maro, izay ahafahan’ireo avy nanaraka fiofanana maka traikefa sy manamafy ny fahaizana norantoviny ao anatin’ny sehatry ny fandriampahalemana.

Toa izany koa ny fametrahana ny BRS na ny “Brigade Routière Spéciale” amin’ny alalan’ny fametrahana “Aire de Repos Sécurisée” isaky ny 100 kilometatra, mba hahafahana mifehy ny asan-dahalo sy ny fanafihana mitranga amin’ny lalam-pirenena. Eo koa ny fametrahana ny “Brigade Anti-kidnapping” entina miady amin’ny asa fakàna olona an-keriny ; ny fanaraha-maso ny fahazoan-dalana mitàna sy mitondra basy izay voasokajy ao anatin’ny “arme de guerre”, sy ny fanesorana izany eo am-pelan-tanan’ireo tsy mara-dalàna.

Tsy maintsy hitadiavana vahaolana sy paik’ady mazava, hoy ny Praiminisitra, ny ady amin’ny halatra taolam-paty sy ny tambazotra fangalarana lavanila izay iankinan’ny ain-dehiben’ny firenena. Eo ihany koa ny tokony hijerana vahaolana ny amin’ny firongatry ny fanafihana ireny “cash point” ireny, izay nahazo vahana tato ho ato, sy ny gaboraraka misy amin’ny fampiasana “scooter” ka lasa fitaovana ampiasain’ireo jiolahy amin’ny fanafihana maro samihafa.

Nizara kaomisiona maromaro moa ireto manamboninahitra eo anivon’ny Zandarmariam-pirenena ireto nandritra ny fivoriana, nandinika ny fomba hahitana paik’ady hoentina hanantaterahana ny torimarika avy amin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.