Fisorohana ny fihanaky ny coronavirus: Hanakatona vonjimaika ny toeram-pitsangatsanganana ny ao Andraikiba

  • samedi, 21 mars 2020 21:25

Nandray didim-pitondrana laharana faha-844/2020 ny teto anivon’ny Prefektioran’Antsirabe, androany sabotsy 21 marsa 2020, ho fampiharana ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Repoblika ny zoma 20 martsa 2020, sy ny torimarika avy amin’ny Minisitry ny Atitany mametraka ireo fepetra manokana hisorohana ny mety ho fihanaky ny COVID-19.

Araka izany dia nisy ny fandraisana fanampahan-kevitra mahakasika ny hanakatonana vonjimaika ny toeram-pitsangatsanganana ao Andraikiba.

Maro ireo mpitandro ny filaminana no ho hita sy hiasa amin’ny toerana maro arovana manokana eto Vakinankaratra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.