Filtrer les éléments par date : jeudi, 10 octobre 2019

Tonga nanatona ny lehiben’ny Fokontany Ambatofitatra, Kaominina ambonivohitra Sambava ireo olona nahazo fanamarihana tamin'ny fandoavana adidy amin'ny fidirana amin'ny tany voatondro hozaraina ka samy mandoa 1 000 Ar, fa ny tsy mazava amin'izy ireo dia nahoana ny an’ny sasany toa fitomboka manga no tamin’ny karne nanamarihana ny fandoavam-bola ary ao kosa ny fitomboka mena?

Nanipika mazava tsara ny lehiben’ny Fokontany rehefa nanontaniana fa tsy izy no tompon'andraikitra amin'ity fa ireo milaza ho mpitarika ilay Fikambanana, ary na izy tenany aza mba taitra raha nahita izao fampiasana fitomboka mena izao, ka mametra-panontaniana hoe : tsy fahaizana sa fanahy iniana mba hamitahana ny mponina fa hoe ara-panjakana ny fizarana ny tany ?

Voatokana ho an’ny fanjakana ihany mantsy ny fampiasana ny fitomboka mena.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona 2019 ity ny hoe : "Tsinjovy ny fahitanao". Hisy tolotra ara-pahasalamana homena ny vahoaka izay tonga ao amin’ny Lapan'ny tanàna Toamasina anio mandritra ny hetsika.

Hisy fitiliana maso faobe, fitiliana katarakta sy ny aretina hafa mahazo ny maso. Maimaimpoana ny hetsika.

Velirano faha-5 nataon'i Andry Rajoelina, tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fahasalamana ho an’ny rehetra, tanjona lehibe amin'izany ny fahafahan’ny tsirairay mahazo fitsaboana mendrika sy manaja ny maha-olona.

 

Publié dans Sociale

Nitondra fanazavana ny minisitry ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo, Andriamanga Vonjy, manoloana ny tsy mbola maha tomombana ny famatsian-drano miainga avy amin’ny foibe famokaran-drano vaovao naorina eny Amoronakona hamatsiana ny mponina amin’ny ilany atsinanan’Antananarivo.

Tapabolana izay no efa nahavitan'ny fotodrafitrasa eny an-toerana saingy mbola tsy afaka misitraka ny rano fisotro madio ireo mponina mijaly rano noho ny olana ara-teknika samihafa.

Misy « fuite » maro, hoy ny fanazavana. Noho io fanatsarana ny lafiny teknika io, izay hiasana andro aman'alina, dia lasa mitarazoka ny fanatsarana ny famatsiana rano ho an'ny faritra atsinanan'Antananarivo.

 

Publié dans Vaovao

Any Lyon, Frantsa mitarika delagasiona malagasy mandray anjara amin’ny andiany faha enina amin’ny Fihaonambe ho famerenana ny loharanon-karenan’ny petra-bola manerantany hiadiana amin’ny fihanaky ny VIH/Sida, ny raboka ary ny tazomoka, ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Hanentanana ireo mpamatsy vola sy ireo firenena misitraka io petra-bola io ho an’ny fe-potoana 2021-2023 ity fihaonambe ity. Tanjona ny hanangonana 14 miliara dolara ho an’ny telo taona ho avy, izay hahafahana mamonjy ain’olona 16 tapitrisa voan’ireo aretina ireo.

Tamin’ny taona 2003 i Madagasikara no nanomboka nisitraka io petra-bola io ary 380 188 987 dolara ny famatsiam-bola azoantsika hatramin’ity taona ity.

Publié dans Sociale
jeudi, 10 octobre 2019 12:24

10 octobre: Journée mondiale pour la vue

10 octobre: Journée mondiale pour la vue.

 

Publié dans Fil info

Manamafy ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy misy « convocation » intsony amin'ny « 2ème session exceptionnelle » hatao ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra 2019 fa ny « convocation » teo aloha ihany no hoampiasaina.

Manentana ireo mpianatra rehetra ny ministera mba samy hitahiry ny « convocation ».

 

Publié dans Tselatra

10 octobre: Journée Mondiale contre la peine de mort.

 

Publié dans Fil info

10 octobre: Journée Mondiale de la santé mentale.

 

Publié dans Fil info

Sur les 207 demandes, l'Etat n'a délivré que 109 agréments dont 33 nouveaux exportateurs. Ils ont justifié l'élimination de presque la moitié des anciens exportateurs pour le besoin de professionnaliser la filière.

Publié dans A la Une

Hisy fanamboaran-dalana eo amin'ny lalana mihazo ny rond-point La City hatrany amin'ny rond-point Tsarasaotra, mandroso sy miverina, ka lalan-tokana ihany no ampifandimbiasana ampiasain'ny fiara na ny mandroso na ny miverina.

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 3