Filtrer les éléments par date : vendredi, 11 octobre 2019

Manohy ny diany any Eorôpa sy Etazonia i Rina Randriamasinoro, kandida Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, atolotry ny antoko Tiako i Madagasikara, mitondra ny laharana faha roa (2) amin'ny bileta tokana, mampahafantatra bebe kokoa ny vina heveriny hitantanana ny tanànan’Antananarivo amin’ireo Malagasy mpilaravinahitra any ivelany, maniry te handray anjara amin’ny fanatanterahana izany.

Nahaliana an’ireo Malagasy mpilaravinahitra tafahaona tamin’i Rina Randriamasinoro ny vinan’ity kandida ity, ary maro ireo nilaza sahady fa hitondra izay anjara biriky azony atao ho fanohanana azy.

Publié dans Politique

Navoaka ofisialy ary notsofin-drano androany, zoma 11 oktobra 2019, ireo mpiasam-panjakana ambony vaovao miisa 150 mandrafitra ny andiany « HARENA » rehefa niofana sy novolavolaina nandritra ny roa taona tao amin’ny ENAM (Ecole Nationale d'Administration de Madagascar) Androhibe, Antananarivo.

Andiany faha-27 izy ireto, ahitana « Inspecteurs de l’Administration Pénitentiaire » miisa 20, « Administrateurs Civils » miisa 44, « Agents Diplomatiques et Consulaires » miisa 20, « Ingénieurs des Services Topographiques » miisa 26, « Inspecteurs des Domaines et de la Propriété Foncière » miisa 15 ary « Inspecteurs du Travail et des Lois Sociales » miisa 25.

Publié dans Sociale

Nidina teny Anosibe Zaivola, Boriborintany Faha-6 Ambohimanarina, Antananarivo Renivohitra androany ny mpikambana roa ao amin’ny governemanta, nahitana ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny trano fonenana ary ny Asa vaventy Andrianainarivelo Hajo sy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono Ranarivelo Fanomezantsoa Lucien, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy avy, teo koa ny Tale jeneralin’ny APIPA Rateloson Philippe.

Publié dans Vaovao

Abiy Ahmed Ali no nosafidian’ny komity hotolorana ny Loka Nobel Fandriampahalemana (Prix Nobel de la Paix) taona 2019.

Praiminisitra amperinasa any Ethiopia nanomboka tamin’ny 2018 i Abiy Ahmed. Ny ezaka nataony hamitranana ny fihavanana sy ny fifandraisana eo amin’i Ethiopia sy Érythrée.

I Abiy Ahmed no nandimby an’i Denis Mukwege sy Yazidie Nadia Murad, ireto farany no notolorana ny Loka Nobel Fandriampahalemana tamin’ny 2018 noho ny ady niarahan’izy ireo manohitra ny herisetra ara-nofo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Nihaona tamin'ireo tompon'andraikitra ara-panjakana, sivily sy miaramila teto Fianarantsoa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard.

Hentitra ny teniny fa « tsy hisy famindram-po mihitsy amin'ny asan-dahalo ». Tsy mendrika ny hiaina ao anatin’ny tahotra intsony ny vahoaka Malagasy, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasan’ny rehetra ny tenany, ary nanamafy fa ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena tsirairay no ahafahana manafoana ny asan-dahalo.

Publié dans Vaovao

Misesy ny vaky trano amin’iny Kaominina Merimandroso Distrika Ambohidratrimo iny. Manao andiany ireo dahalo manafika, ka ireo mpivarotra na olona fantany hoe manambola no tena lasibatra.

Sahiran-tsaina ny mponina satria tsy vitan’ny mangalatra fa mampihorohoro hamono ireo dahalo.

 

Publié dans Tselatra

Miteraka resa-be ato amin'ny Faritra SAVA ny mahita ireo fitaovan'ny BNGRC manao asa maro samihafa ka misy voatonona ho ao ambadik’izany ny Prefen’i Sambava.

Nitondra fanazavana izy tenany, Rabenandriamanitra Louis Sabatin, Prefen’i Sambava fa tsy mitombina izany fanakianana azy izany.

Ny alakamisy 10 oktobra 2019 ihany dia nampijery ifotony ny asa izay ataon'ireo fitaovan'ny BNGRC ireo izy, sady namela malalaka ny hanaovana fanadihadina amin'izany.

Publié dans Vaovao
vendredi, 11 octobre 2019 09:18

11 octobre: Journée Internationale des Filles

11 octobre: Journée Internationale des Filles.

 

Publié dans Fil info

11 octobre: Journée Internationale du coming out.

Le coming out désigne l'annonce volontaire d'une orientation sexuelle ou d'une identité de genre à son entourage.

 

Publié dans Fil info